Famahana ny olana ara-tany any Nosy be

🟢Tonga nijery ifotony ny olana ara-tany misy any Nosy-Be ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Général de Division Lylyson René de Rolland, androany 08 Desambra 2025, niaraka tamin'ireo ekipa eto anivon'ny ministera.
📌 Miteraka tsy filaminana ao anatin'ny fiarahamonina ny olan'ny adin-tany, satria maro ireo tsy manara-dalana. Tonga tany an-toerana hanitsy izany ny Minisitra mba hamahana ny olana ary hijery manokana ny tombontsoa an'ireo vahoaka any amin'ny faritra amin'ny resaka fananan-tany.
⚪ Ho an'ny Nosy-Be manokana dia mikasika ny Nosy Sakatia. Ho foanana ny ''Bail'' ary mijanona ho an'ny fanjakana ny '' réserve foncière touristique'', araky ny nambaran'ny Minisitra. Ny tany ho an'ny fokonolona ao Sakatia kosa dia ho averina tanteraka amin'izy ireo amin'ny alalan'ny '' Opération Domaniale Concerté'' ODOC izay ho vidin'izy ireo amin' ny sarany 5 Ar ny m2.
🔴 Ho ezahina atao manerana an'i Madagasikara ity fikarakarana ny ODOC ity, izay natomboka tao Nosy-Be. Mba hanatanterahana izany dia hisy ny fiaraha-miasa sy fifampidinihana eo amin'ny MATSF miaraka amin'ireo tompon-tany sy ny sefompokontany mba hamaritana mazava ny tena anjaran-tanin'ireo olona eny an-toerana.
📌 Efa manao ny ezaka rehetra ny Ministera amin'ny fijerena ireo faritra rehetra manerana an'i Madagasikara. Ao anatin'izany ny famolavolana fanavaozana andinin-dalana mikasika ny fahafahana mividy tany ho lasa 5.000 m2 raha 1.000 m2 izany teo aloha any an-toerana.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
Scroll to Top