Fandraisan’anjaran’ny MATSF tamin’ny fivorian’ny COPIL an’ny tetikasa RECOS

Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny Komity Mpitantana (COPIL) mahakasika ny tetikasa Résilience des Écosystèmes Côtiers du sud-ouest de l’Océan Indien (RECOS) ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) , izay natao tany Komoro, ny 1–4 Desambra 2024 lasa teo. Fihaonana izay nandinihana ny zava-bitan’ny tetikasa nandritra ny taona 2025 ary hifampizarana momba ny Drafitra Asa sy Teti-bola Isan-taona (PTBA) ho an’ny taona 2026.

Marihina fa miorina amin’ny lohahevitra efatra lehibe mifantoka amin’ny fiarovana sy fampitomboana ny faharetan’ireo faritra amorontsiraka ny tetikasa RECOS, izay tanterahan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI), ka amin’ny alalan’ireo lohahevitra ireo no manohana sy mamatsy vola ny tetikasa maro momba ny fampandrosoana maharitra amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara, toy an'ny Morondava, Ankivonjy–Ankarea, Andavadoaka, Helodranon’i Antongil, Kompleksy Mahavavy–Kinkony, ary Nosy Sainte-Marie.

Ny fandraisan’anjaran’ny MATSF tamin’ity fivoriana ity dia maneho ny fanoloran-tenany amin’ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena amorontsiraka, ny fanohanan’ny asa ataon’ny COI, ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena ao amin’ny faritra amin’ny sehatry ny fiarovana sy fitantanana ireo tontolo iainana manodidina ny Ranomasimbe Indianina.
Le Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF) a pris part, du 1er au 4 décembre 2024, à la réunion du Comité de Pilotage (COPIL) du projet Résilience des Écosystèmes Côtiers du sud-ouest de l’Océan Indien (RECOS), organisée aux Comores. Cet événement a constitué un moment déterminant pour faire le point sur les réalisations du projet au cours de l’année 2025 et discuter du Plan de Travail et Budget Annuel (PTBA) prévu pour l’année 2026.

Mis en œuvre par la Commission de l’Océan Indien (COI), le projet RECOS repose sur quatre thématiques majeures orientées vers la protection et la résilience des zones côtières. À travers ces axes d’intervention, il soutient et finance diverses initiatives de développement durable au sein de plusieurs zones d’intervention à Madagascar. Parmi celles-ci figurent : Morondava, Ankivonjy–Ankarea, Andavadoaka, la Baie d’Antongil, le Complexe Mahavavy–Kinkony, ainsi que Sainte-Marie.

La participation du MATSF à cette rencontre traduit son engagement à renforcer la gestion durable des ressources côtières, à accompagner les actions menées par la COI et à consolider la collaboration régionale en matière de préservation des écosystèmes du sud-ouest de l’océan Indien.
594073392_856093776809706_8565413620364890746_n
sary 2
sary 3
Scroll to Top