Fanolorana fanalahidy ho an'ireo tokantrano nafindra toerana eny amin'ny faritra vaovao eny Andavamamba- Antananarivo

🟢 Notanterahin’ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) sy ny Tetikasa PRODUIR izay tohanan'ny Banky Iraisam-pirenena, androany 12 Desambra 2025, ny fanolorana fanalahidy ho an’ireo tokantrano nafindra toerana noho ny asa fanarenana ny lakan-drano C3 teny Andavamamba. Miantoka fifindra-monina maharitra sy azo antoka ny tetikasa PRODUIR, ary manome taratasy ara-dalàna hipetrahana ho an’ireo mponina, indrindra ho an'ireo sokajin ’olona marefo.
⚪ Ao amin’ny faritra vaovao mirefy 0,7 ha ao amin'ny fokontany Andavamamba Anatihazo II sy Anosibe Andrefana I, ao amin'ny boriborintany faha-4 no hametrahana ireo tokantrano mpisitraka miisa 84. Trano misy rihana (R+1) ahitana trano fonenana miisa 87 izay efa miaraka amin’ny rano sy jiro, lalana rarivato, ary rafitra fanadiovana feno, no hitoeran'izy ireo.
🔴 Nandritry ny lanonana dia nisy ny fitsidihana trano sy fanolorana fanalahidy ho an’ireo solontenan'ireo fianakaviana marefo sy ny fanaovan-tsonia sata fanekena ho an'ireo tokantrano mpisitraka. Mandray anjara lehibe amin’ny fisorohana ny tondra-drano sy fanatsarana ny tontolo iainana eto Antananarivo ny tetikasa PRODUIR amin'ny alalan'ny fanarenana ny lakandrano C3 sy ny fefiloha manodidina.
🟢 La remise de clés destinée aux ménages affectés par les travaux de réhabilitation du canal C3 à Andavamamba a été effectuée ce 12 décembre 2025 par le Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF) et par le Projet PRODUIR, soutenu par la Banque mondiale. Le projet PRODUIR assure un relogement durable et sécurisé, en fournissant aux habitants, notamment aux catégories les plus vulnérables, des documents légaux pour leur installation.
⚪ Les 84 ménages bénéficiaires seront installés dans un nouveau site de réinstallation de 0,7 hectare située dans les fokontany Andavamamba Anatihazo II et Anosibe Andrefana I dans le 4ème arrondissement. Ils occuperont des bâtiments à étages (R+1) comprenant 87 logements déjà dotés d’eau, d’électricité, de routes pavées et d’un système complet d’assainissement.
🔴 Lors de la cérémonie, une visite des logements a été organisée, suivie de la remise de clés aux représentants des familles vulnérables ainsi que de la signature d’un protocole d’accord par les ménages bénéficiaires. À travers la réhabilitation du canal C3 et des infrastructures connexes, le projet PRODUIR contribue largement à la prévention des inondations et à l’amélioration de l’environnement à Antananarivo.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top