Fihaonan'Andriamatoa Minisitra tamin'ny vahoakan'Ambohitoaka.

🔴 Ho famahana ny olana ara-tany manerana ny Nosy dia tonga nihaona tamin'ireo Solombavahoaka tao amin'ny Faritra Sofia ary nitafa tamin'ny vahoaka tao Ambohitoaka ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany , Général de Division Lylyson René de Rolland androany. Nanambara Andriamatoa Minisitra nandritra ny fihaonana fa haverina amin'ny vahoaka ny tany izay efa nisy disadisa aman-taonany maro, teo amin'ny orinasa iray sy ny vahoaka.
⚪ Noresahany ihany koa fa ny tany izay nampiasain''ny vazaha tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany tao Port-Bergé sy Mampikony dia haverina amin'ireo tompon-toerana satria fanjakana manara-dalana sy miaraka amin'ny vahoaka Malagasy no tokony hanjaka eto Madakasikara.
🟢 Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nolazainy ihany koa fa laharam-pahamehana ny hamahana ny olana ara-tany izay sokajiana ho goavana, ka mbola hitohy any amin'ny faritra hafa ny fidinana Ifotony izay hoataony ary hoampiharina ny ODOC (Opération Domaniale Concertée) izay efa natao tao Nosy Bé tamin'ny alalan'ny fizarana tamin'ireo fokonolona ny tany ao amin'ny Nosy Sakatia amin'ny vidiny 5 ar ny m².
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
Scroll to Top