Fihaonan'Andriamatoa Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany tamin'ny vahoaka tao Sambava.
🟢 Ho fanatanterahana ny politikan'ny fitondrana fanavaozana dia nidina ifotony, nihaona tamin'ny vahoaka tao Sambava ny Minisitra Général de Division Lylyson René de Rolland ny 06 Desambra 2025 lasa teo. Nanamarika ny fotoana ny fizarana titra faobe ho an'ireo mponina tao an-toerana izay manamarina fa azy ireo tokoa ny tany. Ny tompony ihany no aoka hisitraka ny taniny ho Andriamatoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany ka tsy misy tokony hisy ny fangalarana fa hoatao haza lambo izany. Ny MATSF ihany koa dia nanagana ny Sampandrahara misahana ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana mba ho fiarovana ny tanim-bahoaka.
⚪ Mbola hitohy ny fanantanterahana ny ODOC (vondron'olona maro, na tanà na maro hanatanterahana fizarana titra faobe) ary hisesy ny fidinana Ifotony, miaraka amin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Fandrefesan-tany mba tsy hitarazoka ny famahana ny olana ara-tany.
🔴 Araka ny fanamby izay efa napetraka, dia hamoraina ny fahazoana ny vahoaka ny tany amin'ny vidiny farany ambany ho an'ireo izay hanao titra, ka miainga amin'ny vidiny 50 ar ny m². Marihina fa misy ny volavolan-dalana amin'ny fanavaozana ny lalà na mifehy ny fananantany izay hita fa manasarotra amin'ny fahazoana izany, ary hoaroso volavolan-dalana eo anatrehan'ny antenimieram-pirenena