Tetikasa TaToM - Dingana faharoa
➡️ Tanteraka ny 4 febroary 2026 ny atrikasa fanombohana ny dingana faharoa (2024-2028) amin’ny tetikasa TaToM (Tananarivo-Toamasina-Madagasikara), izay natrehin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany, ary niantsoana ireo mpisehatra voakasiky ny drafim-panajariana : ireo Kaominina miisa 38 mandrafitra an’Antananarivo satria izy ireo no nisitraka ny PUDI (Plan d'Urbanisme DIrecteur), ireo Minisitera mpanatanteraka ireo tetikasa lehibe, Sampan-draharaham-paritry ny Fanajariana ny tany, ary ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa (JIRAMA, SMA).
☑️ Marihina fa mizara dingana roa lehibe ny fanantaterahana ny tetikasa TaToM, izay vatsian’ny JICA vola ary ny MATSF no misahana ny fanaraha-maso amin’ny fanatanterahana ny drafim-panajariana amin’ireo minisitera voakasiky ny tetikasa sy ireo Kaominina.
☑️ Ity atrikasa androany ity no nanaovana ny jery todika sy ny tombana tamin’ireo asa vita, tamin’ny dingana voalohany ny tetikasa TaToM mahakasika ny drafim-panajariana (2019-2023). Nanampy ny MInistera tamin’ny fanatanterahana izany ny manam-pahaizana avy amin’ny JICA mba nahafahana nijery ny asa vita, ireo lesoka azo arenina ary ireo olana ka ahafahana miatrika ny dingana manaraka amin’ny tsara kokoa.
📝 Nofaranana tamin’ny fanomezana adiam-panontaniana an-tsoratra an’ireo mpisehatra ny atrikasa, mba ahafahan’ny manam-pahaizana mandinika ny valin-tenin’izy ireo, ka manao ny tombana ary manome izany amin'ny mpanapa-kevitra mba amaritana ny atao : tantsoroka ho an’ny Kaominina, fanavaozana ny PUDI, sns.

➡️ L’atelier de lancement de suivi du Schéma Directeur issu du TaToM ( Tananarivo-Toamasina-Madagasikara), deuxième phase, s’est tenu le 4 février 2026. Cet événement a vu la participation du Secrétaire Général du Ministère de l'Aménagement du Territoire et des Services Fonciers ainsi que des acteurs clés du développement urbain, notamment les 38 Communes du Grand Tanà bénéficiaires du PUDI (Plan d’Urbanisme DIrecteur), les ministères en charge des projets sectoriels et structurants, les Directions Régionales de l'Aménagement du Territoire, ainsi que les services publics (JIRAMA, SMA).
☑️ Il est à noter que la mise en œuvre du projet TaToM, financé par la JICA, se décline en deux phases. Le MATSF assure le suivi de l'exécution du plan d’urbanisme auprès des ministères sectoriels et des Communes concernées.
☑️ Cet atelier a permis de dresser un bilan et une évaluation des actions réalisées lors de la première phase (2019-2023). Accompagné par les experts de la JICA, le Ministère a examiné les travaux accomplis afin d'identifier les lacunes à combler et les obstacles rencontrés, en vue d'aborder cette nouvelle étape dans des conditions optimales.
📝 La rencontre s'est clôturée par la distribution de questionnaires aux participants. Les réponses recueillies permettront aux experts d'analyser les retours du terrain, d'affiner l'évaluation et de soumettre des recommandations stratégiques aux décideurs : renforcement de l'appui technique aux Communes, actualisation du PUDI, et définition des priorités futures.