Tongoloina – Kaominina Ampahitrosy - distrikan'Antananarivo Atsimondrano | Fefiloha Sisaony
Nisy fahavakisana nitranga tamin’ny fefilohan’ny renirano Sisaony (rive droite) tao amin’ny Fokontany Tongoloina, Kaominina Ampahitrosy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.Vao nisy ny filazan'ireo manam-pahefana teny an-toerana fa vaky ny tohodranon' ny Sisaony teny amin'ny Kaominina ambanivohitr' Ampahitrosy dia nandray andraikitra avy hatrany ny APIPA ny Sabotsy 24 Janoary 2026 tamin'ny fitanterana hazo (bois rond) sy ny gony hasiana fasika izay nitohy ny marainan'ny Alahady ka nandraisan'ireo solon-tenan'ny Kaominina ambanivohitr' Ampahitrosy gony miisa 3000 ary hazo (bois rond) miisa 500. Ireo fitaovana ireo moa dia niarahan'ny APIPA nisalahy tamin'ny BNGRC mba ho fanamafisana ny fefiloha izay efa nihotsaka.
📍 Ny Alahady 25 Janoary 2026 kosa dia niaraka nidina tamin'ny APIPA sy ireo teknisianina ao aminy ny BNGRC, ny CEMA, ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Distrikan' Atsimondrano ,ny fokonolona izay notarihin'ny lehiben'ny Governemanta, notronin' ireo Minisitra 03 dia ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitatanam-bola.
☑️ Araka ny toro-marika avy amin'ny Praiminisitra dia mila hamafisina izany ny fitaovana hanarenana ny fefiloha, hovahana ihany koa ireo vannes izay tsy mety misokatra intsony noho ny tsy fahampian'ny fikojakojana azy ireo. Hentitra rahateo ny baikon'ny lehiben'ny Governemanta ny amin'ny hanavotana haingana ny foto-drafitrasa, ny fambolena fa indrindra ny fiainan'ny olona. Noho ny fiaraha-midinikan'ireo tompon'andraikitra sy teknisiana isan-tsokajiny avy dia tapaka fa harona 'big bag' ho fenoina fasika no ampiasaina hanamafisana izany fefiloha izany ary tsy misy intsony ny andraso andraso fa anio alatsaniainy 26 Janoary 2026 dia hanomboka ny asa izay andraisan'ny APIPA anjara mavitrika.