VARAVARANA MISOKATRA mahakasika ny Raharahan-tany eto Antananarivo Renivohitra

🟢 Notanterahina androany teto Anosy ny varavarana misokatra mahakasika ny Raharahan-tany eto Antananarivo, izay efa natomboka ny 01 Desambra lasa teo teny anivon'ireo faritra manerana ny Nosy. Ezaka manokana ataon'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) ho amin'ny fangaraharana sy fampafantarana ny olom-pirenena ny fomba ahafahana misitraka ny zo fototra amin'ny resaka fananan-tany.
⚪ Ho an'ny androany manokana dia mikasika ny mangarahara amin'ny vola tokony haloha amin'ireo asa atao eny anivon'ny fananan-tany ny varavarana misokatra. Efa maro ireo ezaka sy dingana ataon'ny Minisitra miaraka amin'ny fitondram-panjakana amin'ny fampihenana ny ady amin'ny resaka fananan-tany eto Madagasikara. Mbola misy anefa ny tsy ampy mikasika ny fahafapamtarana ireo dingana atao amin'ny resaka fananan-tany, mba hisian'ny mangarahara ary hanamafisana ny ''sécurisation foncière''.
đź”´Misokatra foana arak'izany ny biraon'ny Ministera eto anivon'ny sampandraharahan'ny Fananantany hampafantatra ireo olom-pirenena ny zony fototra amin'ny resaka fananan-tany, ao aorian'izao varavarana misokatra izao.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top