🌿Miara-mientana ho an’i Madagasikara Maitso🌿

âžĄïž Anisan’ireo foto-kevitra ijoroan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana na PGE-R, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, izay iray amin’ireo fototry ny fitantanana malalaka, mahomby ary azo itokisana. Niompana tamin’ny hetsika fambolen-kazo, izany fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena izany ho an’ny MATSF izay nanatanteraka ny adidiny amin’ny Firenena androany 4 martsa 2026.
« Izay mamboly hazo, manome aina » no vina napetrakin’ny mpiasan’ny Minisitera, izay eo ambany fitarihan’ny Minisitra Lylyson RenĂ© de Rolland, ao anatin’ny fanatanterahana ity fandaharanasa fambolen-kazo, ho an’ny taom-pambolena 2025-2026 ity. Natao tao amin’ny Kaominina Talata Volonondry, citĂ© des 35 Ha ny hetsika ary namita ny adidiny ihany koa ny Sekretera Jeneraly, ny Talen’ny kabinetra, ireo tale jeneraly sy ireo tale isan-tsokajiny avy eto amin’ny MATSF.

▶ Ny Fitantanana Maitso dia mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana, izay valin’ny antso amin’ny fanatrarana ireo fanamby vokatry ny olan’ny toetr’andro maneran-tany. Ho fanatanterahana io Fitantanana Maitso io no nahatonga ny MATSF nandrindra ireo mpikatroka amin’ny fanatanterahana ny fambolena ireo zanakazo miisa 1300. Marihina noho izany fa ny tontolo iainana dia tokony ho raisina ho harena iombonana maneran-tany ka adidin’ny olom-pirenena tsirairay, anisan’izany ny mpiasan’ny MATSF, ny mandray anjara amin’ny hetsika rehetra miady amin’ny loza ateraky ny fandripahana ala.

▶ Tamin’ny fanombonana ny fihaonana teny Talata Volonondry dia nanamafy teo anatrehan’ ny mpiara-miasa tonga teo ny Minisitra tompon’andraikitra fa : " Iaraha-mahalala ny fahapotehan'ny tontolo iainana, hitantsika fa mihapotika isan-taona izao tontolo iainana izao, nohon'ny hetraketrak'isika olombelona ihany. Dikan'izay, ny fanarenana azy dia isika olombelona ihany, tsy mila miankina amin'ny olona avy any ivelany, tsy mila miandrandra fanampiana. Fa isika no misitraka azy dia isika ihany koa no hitandro ny tsy fahapotehany sy hikarakara ny fanarenana izany tontolo iainana izany. Marika no ataontsika eto mba ho ohatra velona omentsika ny mpiara-belona amintsika eto Madagasikara ary tsy mipetra-potsiny ny mpiasan'ny Minisitera fa mandray anjara".

*ïžâƒŁ Marihina fa hotanterahana amin'ny herinandro ny fametrahana ny vato fototry ny Birao vaovaon'ny Sampandraharan'ny Fandrefesantany sy ny Fananantany ho an'ny Distrikan'avaradrano tapany avaratra izay misy Kaominina miisa valo.
âžĄïž Parmi les principes directeurs de la PGE-R, la participation citoyenne constitue un des fondements de la gouvernance ouverte, efficace et digne de confiance. Et c’est dans ce souci de participation citoyenne, que la grande famille du MATSF accomplit son devoir envers la Nation aujourd’hui 4 mars 2026 et se lance dans la campagne de reforestation. Et c’est dans le cadre de la mise en Ɠuvre du programme de Reboisement pour la campagne 2025-2026, placĂ© sous la vision « izay mamboly hazo, manome aina », que le personnel, sous l’égide du Ministre Lylyson RenĂ© de Rolland, se trouve Ă  Talata Volonondry. Le SecrĂ©taire gĂ©nĂ©ral, le Directeur de cabinet, les Directeurs gĂ©nĂ©raux ainsi que les directeurs au sein du MATSF ne sont pas en reste.

▶ La gouvernance verte vise Ă  protĂ©ger l’environnement, c’est d’ailleurs une rĂ©ponse directe aux appels croissants Ă  relever les dĂ©fis posĂ©s par les problĂšmes climatiques de la planĂšte. Soucieux de la Gouvernance verte, MATSF intĂšgre les acteurs de reboisement et ont mis en terre 1300 jeunes plants. Rappelons Ă  cet effet que l’environnement doit ĂȘtre considĂ©rĂ© comme bien commun mondial que tout citoyen, dont le personnel du MATSF, doit participer Ă  toutes activitĂ©s endiguant le flĂ©au de dĂ©forestation.

▶ Le Ministre a prĂ©cisĂ© lors de son allocution que : « Nous sommes tous conscients de la dĂ©gradation de l’environnement. Nous constatons qu’il se dĂ©tĂ©riore d’annĂ©e en annĂ©e, principalement Ă  cause des actions destructrices de l’ĂȘtre humain. Cela signifie donc que sa restauration relĂšve Ă©galement de notre responsabilitĂ©. Nous n’avons pas besoin de dĂ©pendre de personnes venant de l’extĂ©rieur ni d’attendre une aide quelconque. Puisque nous sommes les premiers bĂ©nĂ©ficiaires de cet environnement, il nous appartient aussi d’en assurer la protection et de prendre en main sa rĂ©habilitation.L’action que nous menons ici se veut un symbole, un exemple concret que nous offrons Ă  nos concitoyens Ă  Madagascar. Les agents du MinistĂšre ne restent pas inactifs : ils s’engagent et participent activement aux efforts entrepris. »

*ïžâƒŁ Le Ministre a Ă©galement annoncĂ© que la cĂ©rĂ©monie de pose de la premiĂšre pierre du nouveau bureau du Service des Domaines et de la Topographie, destinĂ© au District d’Avaradrano Nord et regroupant huit communes, se tiendra au cours de la semaine prochaine.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
sary 11
sary 12
sary 13
sary 14
sary 15
sary 16
Scroll to Top