FANAJARIANA NY TANY
FANATSARANA NY TOLOTRA

Ny fivoriana niarahana tamin'ny mpianatra MISA ( Mathematiques Informatiques et Statistiques Appliquées) omaly talata 25 Aogositra dia manamarika ny fandrosoan'ny famolavolana ny MATAC /HANORINA 2.0 izay tsy inona fa rindram-baiko hoentina hanatsarana ny MATAC 1.0. Ny MATAC moa dia tsy inona fa plateforme fangatahana permis de construire ao amin'ny tranonkalan'ny Minisitera.
Ity fanavaozana ity dia mitondra tombony roa lehibe :
- Fanatsarana ny fahatsapan'ny mpanjifa amin'ny alalan'ny endrika ivelany vaovao sy ny fizotry ny fikirakirana ny fitaovana hoentina hanamorana ny fangatahana fahazoan-dalana hanorina sy ireo fahazoan-dalana hafa mahakasika ny fanajariana ny tanan-dehibe
- Fijerena sahady ny fomba hahafahana mampifandray ny rindram-baiko eo amin'ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany, ka hampilamina sy hanamorana ny tolotra homena ny mpanjifa
Mandroso tsara ny MATAC/ANORINA 2.0, ary efa azo tsapain-tanana ny fanatsarana ny endrika sy ny fizotra ho an'ny mpanjifa. Efa naseho tamin'ny andrana koa ny fampifandraisana ilaina amin'ny rafitra fananan-tany fa kanefa miandry ny "API Fonciers" (fampifandraisana ny tahirinkevitra eo amin'ny fananantany sy ny MATAC) vao vita tanteraka. Hiara-hiasa hatrany amin'ny mpianatra MISA isika mba hamita ny fanitsiana sy hanatanteraka ity fitaovam-panjakana ity ho tombontsoan'ny rehetra.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
Scroll to Top