ANTENIMIERAMPIRENENA
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo.

Nanatrika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo ny Antenimierampirenena ho an’ny taona 2026, izay natao teny lapan’ny Tsimbazaza androany, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, LYLYSON René de Rolland. Niara-nanatrika izany taminy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo solontenan’ireo Andrimpanjakana.
Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, RANDRIANASOLONIAIKO Siteny, no nanokatra ny fotoana, niaraka tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, N’DIAYE Alice, izay nisolo tena ny Praiminisitra.
Marihina fa haharitra 12 andro ity fivoriana tsy ara-potoana ity, ka volavolan-dalàna miisa 16 no hodinihina sy haroso eo anivon’ny Antenimierampirenana mba hahazoana fankatoavana. Ny roa amin’ireo volavolan-dalàna ireo dia ho fantanterahana ny asa sahanin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.
1- Laharana faha-030/2026 tamin'ny 10 jona 2026 ho fankatoavana ny fifanarahana findramam-bola mikasika ny tetikasa Fampandrosoana an-Tanandehibe Mirindra sy Manohi-bely ho an'ny asa (PRODUIRE), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy Fikambanana Iraisam-pirenena ho Fampandrosoana (IDA).
2- Laharana faha-037/2026 tamin'ny 24 jona 2026 ho fankatoavana ny fifanarahana findramam-bola mikasika ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanalana ny fitokana-monina sy fanadiovana ireo toerana laharam-pahamehana eto Antananarivo, dingana fahefatra (LALANKELY IV), teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny vondron'ny Masoivoho Frantsay ho Fampandrosoana (AFD).
« Zava-dehibe ny fandinihana sy ny fandaniana ireto volavolan-dalàna ireto satria hitondra vahaolana ho an’ny fahasahiranambahoaka », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny fandraisam-pitenenany. Mba ho mendrika ny fitokisan’ny vahoaka, nanao antso avo tamin’ireo solombavambahoaka ny tenany mba hahafatra-po amin’ny asa. Notsindriny koa fa ny lalàna rehetra holanina eo anivon’ny Andrimpanjakana dia tsy maintsy ho dingana lehibe ho amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana ny Firenena.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
Scroll to Top