FITOKANANA NY « DISPOSITIF AUTOMATIQUE D’INFORMATIONS », FANOLORANA 176 TITRA, FANOMEZANA NY PUDI HO AN’NY TANANAN’ I NOSY BE.

▶️ Hetsika lehibe maro sosona no notanterahin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany androany, 24 septambra 2026, tao an-tanànan’i Nosy Be, Faritra Diana.
▶️ Anisan’ny voalohany tamin’izany ny fitokanana ny « DISPOSITIF AUTOMATIQUE D’INFORMATIONS » (DAI), natrehin’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson René de Rolland. Ity fitaovana ity dia manampy ireo mpila raharaha eny amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany mba hahazo ny saritany (plan) sy ny fanamarinana fananantany (CSJ) anatin’ny fotoana fohy. Ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’ny tetikasa Projet Pôles Intégrés de Croissance (PIC3), no nahafahana nanatanteraka izany.
🤝Nitohy tamin’ny fizarana titra ho an’ireo mponina ao amin’ny tanànan’i Nosy Be ny fotoana, izay tafiditra ao anatin’ny hetsika Fizarana Titra Faobe (ODOC). Titra miisa 176 no natolotra ho an’ireo mponina ao amin’ny Fokontany telo, dia Sakatia, Andrahibo ary Ambodivanio.
▶️Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nanamafy ny Minisitra fa tsy mitsahatra ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ao anatin’ny Fitondrana Fanavaozana, amin’ny fandrindrana sy fampiharana ireo fepetra hanamafisana fa an’ny Malagasy i Madagasikara.
▶️ Nohamafisiny fa tsy nisy nahavita namerina tamin’ny Fanjakana Malagasy ireo tany izay nalain’ireo mpanjanaka ka teo am-pelatanan’ny vahiny, nanomboka tamin’ny taona 1896 ka hatramin’ny 1960, raha tsy izao Fitondrana Fanavaozana izao. Notsindriany anefa fa narahina hatrany ny lalàna sy ireo fepetra manan-kery tamin’ny fanatanterahana izany.
▶️ Notsiahivin’ny Minisitra ihany koa ny momba ny tanin’ny SIRAMA. Nampahafantariny fa, araka ny fifampiresahana nifanaovany tamin’ny Minisitry ny Indostria, dia hoentina eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra ny momba ny fitsinjarana izany. Rehefa mivoaka ny didim-panjakana dia eo no handinihana sy hamaritana ny fomba fitsinjarana ireo tany ireo.
Notsindriany ihany koa ny momba ireo tanin’ny SIRAMA hafa izay efa nisy nanorim-ponenana hatry ny ela, ka mety hisitraka izany ihany koa ireo mponina voakasika. Nambarany fa efa voajery avokoa ireo tranga ireo.
*️⃣Norarany kosa ny hanaovana fanorenana vaovao eo amin’ireo toerana ireo, satria mety hiafara amin’ny fandrodanana izany. Nanentana ny rehetra izy mba hanaja sy handrindra ny fanorenana trano, ka hifanaraka hatrany amin’ny drafi-panajariana napetraka.
📚Etsy an-kilany, nisy ihany koa ny fanolorana ny Drafi-panajariana an-tanàndehibe (PUDI) ho an’ny mponina ao Nosy Be. Ity drafitra ity dia fitaovana ampiasaina enti-mandrindra ny fampiasana ny tany, ny fanitarana ny tanàna, ny fametrahana fotodrafitrasa ary ny fampandrosoana ireo sehatra samihafa, ka mampifanaraka ny filan’ny mponina amin’ny vina fampandrosoana maharitra.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
Scroll to Top