Fizahantany maharitra na ny ''Ecotourisme'' sy fiarovana ny faritra arovana : Laharam-pahamehana nasioanaly

✅ Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Fananajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) androany maraina ny delegasiona avy amin’ny Madagascar National Parks (MNP) izay notarihin’ny Tale Jeneraliny. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra ao anatin’ny faritra arovana ny fifanakalozan-kevitra nisy, ary heverina ho isan’ny paik'ady iray amin’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.

✅ Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fototra iraisan’ny ministera ity hevitra ity, ary mampivondrona ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa-tanana (MTA) ary ny MATSF. Ny tanjona amin'izany ny fampivondronana ny hery amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanomezan-danja ny fizahantany ary ny fiarovana ny fananan-tany.

✅ Nandritry ny fihaonana , dia nanamafy ny fahavononany tanteraka ny Minisitra Lylyson René de Rolland amin’ny fiarovana ireo faritra arovana sy ny fanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary malagasy izay tsy hita afa-tsy eto an-toerana, ho tombontsoan’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy, sady mampiditra sy mampandray anjara ny eny ifotony mandritra ny dingana rehetra.

🤝Miaraka isika ho amin’ny fampandrosoana maharitra, fampandraisana andraikitra ary fampandraisana anjara ny tsirairay eto Madagasikara.
✅ Une délégation de Madagascar National Parks (MNP), conduite par son Directeur Général, a effectué ce matin une visite de courtoisie auprès du Ministre de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF).

✅ Les échanges ont porté sur la promotion de l’écotourisme au sein des aires protégées, considérées comme un levier stratégique du développement durable à Madagascar. Cette dynamique s’inscrit dans le cadre d’une convention-cadre interministerielle associant le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable (MEDD), le Ministère du Tourisme et de l’Artisanat (MTA) et le MATSF, visant à renforcer la synergie entre conservation, valorisation touristique et sécurisation foncière.

✅ À cette occasion, le Ministre Lylyson René de Rolland a réaffirmé son engagement ferme à protéger les aires protégées et à améliorer la gouvernance des ressources naturelles endémiques malagasy, au service des générations présentes et futures, tout en prônant l’intégration et l’inclusion effective des communautés locales tout au long du processus.

🤝 Ensemble pour un développement durable, responsable et inclusif de Madagascar.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
Scroll to Top