TETIKASA TANÀNA VOARAFITRA ao Arivonimamo (PÔLE STRUCTURÉ)

🔴Ho famaliana ny vinam-pampandrosoana sy ny fangatahan'ny faritra tsirairay dia nisitraka ny “Tetikasa Tanàna Voarafitra” (pôle structuré) ny ao Fieferamanga, Kaominina Arivonimamo, Faritra Itasy. Ity tetikasa ity dia eo ambany fiahian’ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ka velaran-tany mirefy 61ha 40a no hanatanterahana izany.

🟢Hahitana faritra voatokana maro ao anatin’ity tetikasa tanàna voafaritra ity, izay manaraka ny drafim-panorenana sy fepetram-panajariana manaraka ny toetr'andro, toy ny Faritra ho an’ny anjerimanontolo : oniversite, toeram-ponenan'ireo mpampianatra, tranon'ireo mpianatra, toerana fikatrona sy fampiarana ; faritra ho an’ny toeram-ponenana sy fihariana ho an'ireo olona marefo ; faritra ho an'ny birao-panjakana ; faritra fivarotana ; faritra fanodinam-bokatra ; faritra samihafa izay hahitana ny sekoly isan’ambara-tonga sy ny toeram-pitsaboana.

⚪Ho tohin’izay dia napetraka ny sabotsy 31 janoary lasa teo, ny vato fototry ny Oniversite Annexe Itasy, tao Fieferamanga Arivonimamo, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny MATSF sy ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa, ary tafiditra ao anatin'ny Tetikasan'ny Ministera ihany koa. Nanatrika izany ny Mpanolotsaina Avo ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Jeneraly Ranoelson Marcellin Zafitasondry, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RASATARIMANANA José Nirina, ny Sekretera Jeneralin'ny MATSF, SAMBANY Ruffin izay nisolo toerana ny Minisitra, Lylyson René de Rolland, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny lehiben’ny faritra, ny Préfet, ary ireo manam-pahefana avy amin’ny distrika mandrafitra ny faritra Itasy.

✅Mitondra vokatsoa ho an'ny firenena ny fananana toerana manana drafi-panajariana mazava hatrany am-piandohana tahaka izao satria efa mipetraka sy mazava avokoa ny lafiny fananan-tany sy ny ampiasana ny tany ary isan'ny manamora ny fisarihana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpampiasa vola amin’ny fampandrosoana marolafy ara-toekarena sy ara-tsosialy izany.

☑️Tombony iray lehibe ny faritra ara-jeografika misy ity toerana ity izay eo anelanelan’ny Renivohitr’Analamanga sy ny Renivohitr’Itasy ka manamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra maro, ankoatry ny maha toeram-pamokarana eo amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana. Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo teny an-toerana ny lanonana
sary 1
sary 2
sary 3
sary 5
sary 45
Scroll to Top