Fitsidihana sy fandraisana andraikitry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany.

Tafiditra indrindra amin'ny fiatrehan'ny Fitondram-panjakana, izay tarihin'ny filoha Mickael Randrianirina, ny takaitra navelan'ny rivo-doza Gezani, dia nidina tany Toamasina niaraka tamin'ny solotenam-panjakana ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany, LYLYSON René De Rolland.

Toamasina dia Tanàna anisan'ny niharam-pahavoazana bé.

Anisan'ireo lasibatry ny rivo-doza ny biraom-paritry ny fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany Atsinanana Toamasina I sy Toamasina II, niendaka ny tafo-trano‚ potika ny rindrina sy ny fitaovana (moto sns).. Voaharo kosa ireo antotan-taratasy momba ny tany‚ fa indrindra ireo bokin-tany izay efa nalamina mialoha ny fahatongavan'ny rivo-doza.

Efa manomboka simba ihany koa ny fotodrafitr'asa nohon'ny fahaterany ka hisy ny fanamboarana atao mba iarovana ireo fitaovana ireo, indrindra ireo tahirin-kevitra voarakitra an-taratasy sy ireo bokin-tany ho fisorohana ny disadisa eny anivon'ny fiarahamonina.

Notolorana fanomezana ihany koa ireo Mpiasa Traboina ka samy nisitraka vary iray gony sy kojakoja ilaina andavan'andro izy ireo. Mba ahafahana mampandeha ny raharaha eo anivon'ny fitaleavam-paritry ny fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany Atsinanana, dia hisy "Groupes électrogènes" matanjaka miisa 03 omena ny sampandrahara, hoy Andriamatoa Minisitry ny Fanajariana ny tany sy Raharahan-tany, LYLYSON René de Rolland.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top