MINISTERA NY FANAJARIANA NY TANY SY NY RAHARAHAN-TANY TSY MANAIKY NY FAKAN’NY VAHINY NY TANIN’NY MALAGASY
Manoloana ny fitakiana izay niseho androany : fanoherana ny fakana tany tsy ara-drariny nataon'ny karana iray, raharaha mahakasika ny tany eo Ankadifotsy Befelatanana, ary mahakasika fianakaviana 52 tafo. Tonga niantso vonjy tamin’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ny vahoaka, ary nandray azy ireo ny Minisitry Lylyson René de Rolland, niaraka tamin’ireo ekipany izay nahitana ny Talen’ny Kabinetra sy ny Tale Jeneralin’ny Raharahan-tany.
Nisolo tena ireo mponina, mpanajary sy monina eo amin’ny tany, Atoa RAKOTONIRINA Jean Paul. Nambarany tamin’izany fa efa hatramin’ny taona 1984 no nampiasan’izy ireo ny tany, ka nanao fangatahana voalohany izy ny taona 2000 tany amin’ny « cours suprême ». Karana no milaza fa tompon’ny tany ankehitriny. Miverina eny amin’ny Fitsarana indray ny raharaha amin’izao fotoana izao ka mangataka izy ireo ny ampiharana ny Fahalaniana Paikandro Manome Zo na ny Prescription Acquisitive.
Namaly ny antso nataon’ireo vahoaka ny Minisitra ka nambarany fa mpiasan’ny vahoaka natao ho an’ny vahoaka izy ary tsy mbola nisy olana tany avy amin’izy ireo nandritra ny 3 volana niasany. Hoy izy : « Eto no hanadisoako ny tsaho aely fa hoe manome tany ny karana ny Minsitra Lylyson, diso izany, tsy mbola nisy titra nosoniaviko ho an’ny karana na iray aza hatramin’izao, fa izay nosoniavin’ny tany aloha ihany, ny olana rehetra hatramin’izao dia mbola olana tany efa tany aloha fa angamba tsy nisy nahasahy niteny teo aloha teo, fa amin’izao fanavaoazana izao dia malalaka ka sahy miteny. Toky no omena anareo fa tsy maintsy ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy no imasoanay. Ny Malagasy no omentsika ny tany raha manara-dalana ».
Mihazakaza ireo tompon’andraikitra manao ny asan’ny Minisitera satria rehefa jerena ny olana tena sedrain’ny vahoaka malagasy amin’ny resaka fananantany dia tany vita titra sy tsato-bato (borne), ka misy mifampitory ary lasa any amin’ny tribonaly dia miandry ny didim-pitsarana fotsiny ny ministera, ka antony tsy mampahomby ny zavatra ataon’ny ministera. Hoy hatrany ny Minisitra nanohy : « Azo nalaina dia omena ny vahoaka androany daholo ny tany rehetra kanefa tsy maintsy manara-dalana ». Nangataka noho izany izy ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fitsarana mba hitsara haingana, ary koa mba tena hijery ny tokony hisitraka ny tany ara-dalàna satria lasa ny eto anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany no maloto, satria tsy misy inona azo atao satria ady any amin’ny fitsarana no miseho. Ary ny Malagasy mpanajary dia resy foana eo anoloanan’ny karana.

Eo amin’ny resaka tany navelan’ny mpanjanaka (terrains coloniaux). Efa tranga manerana an’ny Madagasikara io, izay misy hafetsifetsena : fampiasana hosoka, antontan-taratasy fampivarotana hosoka. Ka efa vita tao anatin’ny 3 volana ny volavolan-dalàna, hanalana ireny tany ireny amin’ny colon ary hizarana izany amin’ny vahoaka Malagasy, ka ampidirina amin’ny Fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny Antenimieram-pirenena, amin’ny 24 Febroary 2026 hoavy izao.
Noresahan’Atoa Minisitra ihany koa ny momba ny tany any amin’ny faritany na « terrain provinciaux », toy ny any Sahavonitry Antsirabe (3216 ha), Ranomafana (182 ha), Mahajanga (188 ha) izay efa misy manorom-ponena sy misy fotodrafitrasa maro ka atao izay hamerenana sy hanomezana ireny tany ireny amin’ireo olona izay mipetraka eo, ka hampanarahan-dalàna ny taratasy fa tsy maintsy misy dingana arahina , izay midika fa tsy mijery afa-tsy ny tombontsoa an’ny vahoaka izay mipetraka amin’ny tany.
Tamin’ny fandraisam-pitenenany ihany koa dia nilaza ny mahakasika ny PA izy amin’ity olana ity. Nahaton’ny fitondrana teo aloha anefa izany na misy ny arrêté namaritana azy aza : art 82, ord 60/146 tamin’ny 1960, saingy tsy nisy ny didy fampiharana na ny « decret d’application ». « Ny Fitondrana Fanavaozana no nanao ny didy fampiharana, izay efa nandalo Filankevitry ny Minisitra ary efa nivaoka. Na izany aza dia misy ny balizy apetraka satria mba hampanarahan-dalàna ireo tany izay nipetrahana nandritra ny 20 taona farafahakeliny ».
Hoy hatrany izy : « ny tany rehetra eto Madagasikara saika efa voarefin’ny karana avokoa, ka izany no antony nananganana Sampandraharaha manokana : Direction de la Promotion de l’Intégrité et de la Transparence, mikasika ny « Audit » sy ny « inspection » mba hahafahana manala ny tany eo ampelan-tanan’ny olom-pangalatra, ary tsy ekena mihitsy ny fampiasana hosoka ary izy ireo no miandraikitra ny tany mampiahiahy. Misy mamorona fikambanana (associaton) manerana ny Nosy, mandeha mangalatra tany dia hamidy amin’ny vahiny, ireny no manao hosoka, ka ireny no hojerenay, ka higadra ireny ary ny tany hiverina amin’ny tompony. Noho izany raha mbola manana ny rariny ianareo dia aza miahiahy ».