Famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana momba ny fahafahana manatanteraka ny tetikasa Lalankely IV (LLK4)

➡️Tanteraka ny 17 febroary 2026 ny atrikasa famaranana amin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana momba ny fahafahana manatanteraka ny tetikasa Lalankely IV (LLK4), izay iandreketan’ny Sampandrahan’ny Fanajariana ny tany eto amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF). Ny AFD no mamatsy vola ny fanatanterahana ity tetikasa ity ka kaominina miisa18 eto Antananarivo sy ny manodidina no misitraka izany manomboka amin’ity taona ity ka hatramin’ny 2031.

☑️ Nanatrika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany ka nambarany fa : « tsara ny fifampiresahana toy izao mba tsy handanindaniana fotsiny ny vola azo satria tsy maintsy hoaverina izy ireny, ary mba hahitana vokatra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny tanàna ».

☑️ Mitentina 40 000 000 euros ny famatsiam-bola, ka ny 35 000 000 euros amin’izany dia fampindramam-bola izay tsy maintsy averina, ary ny 5 000 000 euros kosa dia vola atolotra tsy misy takalony mba hanatanterahana ireo tolokevitra natolotry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izay mahakasika ny fotodrafitrasa laharam-pahamehana nivaoka nandritra ny atrikasa. Ka isan’izany ny : fanamboarana lalana azo andehanan’ny fiara sy lalan-kely ho an’ny mpandeha an-tongotra, ny fanorenana fefiloha fiarovana (digy), ary ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny daholobe ao amin’ireo kaominina misitraka ny tetikasa. Nahafahana naneho ny vokatry ny fanadihadiana sy nanamafy ny fahavononan’ireo mpiara-miombon’antoka ho fampandrosoana an’Antananarivo sy ny Manodidina ny fihaonana androany ka nisy ny fanaovan-tsonia ny «convention de partenariat».

☑️ Ny mampiavaka ity tetikasa Lalankely IV ity mihoatra ireo teo aloha dia noho izy mikendry ny anamafy ny fahaizan’ny kaominina mampiasa vola sy mandamina tsara kokoa ny fanatanterahana ny asa, mba hanatsarana ny tolotra omena ny mponina amin’ny fahazoana fotodrafitrasa eny ifotony, indrindra amin’ireo faritra marefo izay tena iharan’ny loza vokatry ny fiovan’ny toetr’andro.

➡️ Ireo kaominina misitraka izany dia ny Kaominina Antananarivo Renivohitra : Boriborintany faha-II, faha-III, faha-V ary faha-VI Kaominina manodidina : Alakamisy Fenoarivo, Ambohidrapeto, Andoharanofotsy, Ankadikely Ilafy, Ankadimanga, Ankaraobato, Alasora, Ambohijanaka, Ambohimanambola, Ambohimangakely, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Sabotsy Namehana, Soavina, Tanjombato ary Bongatsara.
➡️ L’atelier de clôture officielle de l’étude de faisabilité du projet Lalankely IV (LLK4) s’est tenu le 17 février 2026. Ce projet est piloté par la Direction Générale de l’Aménagement du Territoire au sein du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF). L’AFD finance sa mise en œuvre, dont bénéficieront 18 communes de Grand Antananarivo à partir de 2026, pour une période s’étendant jusqu’en 2031.

☑️ Le Secrétaire général du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers a assisté à la cérémonie et a déclaré : « Il est important d’avoir ce type d’échanges afin de ne pas dépenser inutilement les financements obtenus, car ceux-ci devront être remboursés, et d’obtenir des résultats concrets dans l’amélioration de la gestion urbaine. »

☑️ Le montant total du financement s’élève à 40 000 000 d’euros, dont 35 000 000 d’euros sous forme de prêt remboursable et 5 000 000 d’euros en subvention non remboursable. Ces fonds sont destinés à la mise en œuvre des projets prioritaires identifiés lors de l’atelier et proposés par les collectivités territoriales décentralisées, notamment : l’aménagement de voies carrossables et de ruelles piétonnes, la construction de digues ainsi que la réalisation d’équipements publics dans les communes bénéficiaires. La rencontre d’aujourd’hui a permis de présenter les résultats de l’étude et de formaliser l’engagement collectif des parties prenantes autour de ce programme structurant pour le développement urbain du Grand Antananarivo. Elle a également été marquée par la signature de la « convention de partenariat ».

☑️ Ce qui distingue le projet Lalankely IV des phases précédentes est sa volonté de renforcer la capacité des communes à mobiliser et à gérer les financements, ainsi qu’à mieux organiser la mise en œuvre des actions, afin d’améliorer l’accès aux services et aux équipements de proximité dans les quartiers précaires, particulièrement vulnérables aux aléas climatiques.

➡️ Les communes concernées par le projet sont : la CUA (Arrondissements II, III, V et VI) ainsi que les communes périphériques suivantes : Alakamisy Fenoarivo, Ambohidrapeto, Andoharanofotsy, Ankadikely Ilafy, Ankadimanga, Ankaraobato, Alasora, Ambohijanaka, Ambohimanambola, Ambohimangakely, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Sabotsy Namehana, Soavina, Tanjombato et Bongatsara.

*️⃣À travers le projet Lalankely IV, les communes sont placées au cœur de la maîtrise d’ouvrage, garantissant ainsi une appropriation locale et la pérennité des investissements au service d’un développement urbain inclusif, résilient et durable pour le Grand Antananarivo.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
sary 11
Scroll to Top