VARAVARANA MISOKATRA : Antananarivo Renivohitra, Avaradrano ary Atsimondrano.

➡️Tanteraka androany, teny amin'ny Birao Iombonan'ny Sampandraharan'ny fananantany sy ny fandrefesantany ary ny fanajariana ny tany, Antananarivo Avaradrano teny Alasora ny varavarana misokatra ho an'ny fari-piadidian'ny fananantany sy ny fandrefesantany Antananarivo Renivohitra, Avaradrano ary Atsimondrano. Mitondra ny lohahevitra : FAHALANIANA PAIKANDRO MANOME ZO ( Prescription Acquisitive na PA) ny hetsika androany izay nisokatra ho an'ny daholobe. Tonga nanokatra ny fotoana ny Tale Jeneralin'ny Sampandraharan'ny Fananantany ary nanatrika izany ny Lehiben'ny Distrika Antananarivo Avaradrano sy ireo Tale amin'ny Sampandraharan'ny fananantany sy fandrefesantany.
☑️ Niaraka nanatanteraka ity hetsika varavarana misokatra ity ihany koa ireo fari-piadidian'ny fananantany sy fandrefesantany manerana ny Nosy ka natao nitovy avokoa ny lohahevitra novelabelarina. Nampahafantarana ireo mpila raharaha amin'ny fananantany sy fandrefesantany tamin’ny alalan’ny lohahevitra fa efa afaka hirosoana sy mitohy ny paik'ady amin'ny fampiharana ny PA eto anivon'ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) sy eny anivon'ny Fitsarana. Nohatsaraina ireo dingana arahina amin'ny fangatahana ny PA ary napetraka ireo paik'ady mba hialana amin'izay mety ho fihoaram-pefy.
☑️ Tsara marihana fa nisy ny fiatoan'ny fikarakarana tany voakasiky ny PA nanomboka ny desambra 2024 mba ahafahana mijery ny vahaolana sy ny mba hampitoviana ny fomba fiasa manerana ny Nosy .
☑️ Maro ireo nila fanazavana mahakasika ny PA ka nanampy azy ireo ny fitondrana fanampim-panazavana avy amin'ireo teknisianina eto anivon'ny MATSF. Nisongadina tamin'izany ny fanentanana ny vahoaka amin'ny fiarovana ny zo fananan-tany, ary tsy ho variana fa hanaraka akaiky ny antontan-taratasy. Nisy ihany koa ny fandraisana fitarainana (doléances) nandritra io varavarana misokatra io mba hanomezana fahafaham-po ny mpila raharaha sy hirosoana hatrany amin'ny fangaraharana.
1️⃣ Ireo antontan-taratasy ilaina rehefa manao ny PA :
▶️ Fanamarinana ny fanananantany (Certificat de situation juridique)
▶️ Saritany manara-pitsipika (Plan régulier)
▶️Taratasy fanamarinana ny zom-pirenena (Certificat de nationalité )
▶️Taratasy fanamarinam-ponenana (certificat de residence)
▶️Taratasy fangatahana alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana : atao izany mba hahazoana ny didy fampiharana hahafahan’ny komisiona mpanatanteraka manao fitsirihina. Amin’izany no ilazana fa nanamainty molaly ny tany ianao nandritra ny 20 taona ka mangataka amin’ny Fitsarana ny hanamafisana ny zonao amin’ilay tany.
▶️Taratasy fangatahana fanamarihana mialoha (demande de prénotation) entina ilazana fa misy raharaha mandeha any amin’ ny Fitsarana.
▶️ Taratasy fangatahana duplicatat faharoa (satria ilay duplicatat voalohany tsy any amin’ilay mpanajary fa any amin’ny tompony izay mety efa maty ).
2️⃣ Iza no afaka mangataka ny PA? Ny olona efa nanajary sy nanamainty molaly ny tany nandritra ny 20 taona farafahakeliny : fikarakarana maharitra ny tany sy fampiasana izany amin'ny fomba tena mahomby sy maharitra.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top