APIPA : FANADIOVANA FAOBE AN’ANDRIANTANY SY GR

➡️ Niavaka ny asa andavan’andron’ny APIPA androany satria dia fanadiovana faobe ny lakandrano izay sahanin’ny mpiasa, notarihin’ny Tale Jeneraliny, teny Ilanivato. Niteraka olana sy fitarainana ary fitokonana izany nandritran’ny andro maromaro ny fahatsetsenan’io lakandrano io, anton’izao hetsika izao. Niatomboka teo amin’ny Canal GR ary nivadika any amin’ny Canal Andriantany ny asa.

▶️ Ny fisian’ny tavoahangy sy ny fako isan-karazany ary ny tsikafona no miteraka olana satria na maina aza ny andro dia misy hatrany ny tondradrano. Ezahina arak’izany hoy ny Tale Jeneralin’ny APIPA ny hampihena sy ny tsy hampisy izany tanteraka. Kanefa misy ny olana madinidinika izay tsy voatery miankina amin’ny APIPA : misy manentsina fanahy iniana sy tsy am-piheverana ny lakandrano madinika eny an-toerana.

▶️ Hoy ity tompon’andraikitra voalohan’ny APIPA raha nanazava ny antony tsy maintsy hanadiovana ny lakan-drano : « Tsy ny orana ihany no anton’ny tondra-drano fa ireo tavoahangy sy fako ary ny tsikafona, izay misakana ny fandehanan’ny rano, ka tsy maintsy mitady lalana izy » Marihina fa tsy noho ny fako ihany no niteraka fahatsentsenana ny lakandrano, fa noho ireo fanorenana tsy ara-dalana eo ambony ny lakandrano sy ireo toeram-pivoahana manakaiky ny « siphon », izay mampidi-doza ka tsy maintsy esorina. Noho izany, ezahina vahana ny olana amin’ity herinadro ity, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra hafa eto anivon’ny Distrika, ny Kaominina, ary ny Fokontany, ka ny APIPA miaraka amin’ny fiaraha-monina izay tompon’andraikitra amin’izany no mitarika izany.

*️⃣Mamaha ny olana amin’ny fitohanana eny Anosizato ihany koa ny fanadiovana izay atao manomboka androany ity, satria tsy ho sarotra ny fifamezivezena eto Antananarivo sy ny manodidina raha afaka ampiasaina tsara ny lalana.
sary 7
sary 6
sary 5
sary 4
sary 3
sary 2
sary 1
Scroll to Top