Fidinana ifotony tao amin’ny tanànan’ny Toamasina, manamafy ny fanarenana sy fanorenana maharitra aorian’ny rivodoza
▶️ Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia nidina ifotony tao amin’ny tanànan’ny Toamasina ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany (MATSF), notarihin’ny Sekretera Jeneraly, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fanajariana ny Tany ary teknisianina vitsivitsy eo anivon’ny Ministera sy ny Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes (BNGRC) ary ny Cellule de Prévention et de Gestion des Urgences (CPGU).
Nihaona sy nifampidinika tamin’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana ny delegasiona mba hanamafy ny fandrindrana ny fanarenana ny tanàna araka ny drafi-panajariana ny tanan-dehibe sy ny fenitra ara-teknika momba ny fanorenana mahatohitra ny loza voajanahary.
Nohamafisina nandritra izany fa ilaina :
*️⃣ Hafatra lehibe : ny fanarenana dia tsy fanamboarana fotsiny, fa fanorenana indray amin’ny fomba tsara kokoa sy maharitra.
‼️Antso ho an’ny rehetra ny hiara-mientana sy hifanampy amin’ny fanarenana an’i Toamasina.

- ✅ fanorenana ara-dalàna sy manaraka ny drafi-panajariana
-
✅ fisorohana ny fananganana trano amin’ny faritra marefo (tondra-drano, morontsiraka, ambony fotodrafitr’asa fanarian-drano)
-
✅ fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fitantanana ny rano
-
✅ fanorenana maharitra sy mahatohitra loza