Ady tany tao Mampikony : nandresy ny fokonolona miisa 20000 latsaka

▶️ Ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany(MATSF) dia tsy mitsahatra mitady ny fomba rehetra hampandresena ny Malagasy eo amin’ny sehatry ny ady tany. Miara-miasa amin’ny Fitsarana ity Departemanta ity amin’izany. Porofo ny asa mivaingana natao ity tranga tao Mampokony ity. Nandresy teo anatrehan’ny Fitsarana, izay natao tao Mampikony tamin’ny Talata 24 febroary lasa teo ny fokonolona miisa 20000 latsaka eo, ka isitraka ampilaminana amin’izay ny tany 3000 ha izay an’izy ireo.
▶️ Raha tsiahivina dia nifanolana nanomboka tamin’ny taona 1987 ny Orinasa SOCOTA sy ny mponina 3000 tokantranao eo, izay nanajaray velarantany 3000 ha. Ity Orinasa ity moa dia milaza ho manana titra 12 ho entina miady amin’ireto fokonolona nanajary nandritra ny 38 taona ireto. Noho ny fandresen’izy ireo dia niakatra teto Andrenivohitra ireo solontenam-pokonolona, nanolotra fisaorana ny Minisitra Lylyson René de Rolland tamin’ny fampandresena ny rariny, sy hanadihady koa ny ho tohin’ny dingana arahina ara-taratasy.
▶️ Raha nandray azy ireo ny minisitra tompon’andraikitra dia hoy indrindra izy nanazava teo anoloan’ny mpanao gazety : « Ireto fokonolona ireto dia nandresy tamin’ny ady tamin’ny Orinasa SOCOTA. Tompon’ny tany nolovaina tamin’ny mpanjana-tany (terrain cononial) izy ireo ankehitriny, raha niaritra fijaliana nandritra ny 38 taona tamin’ny ady tany ». Misitraka ny Fahalaniana Paikandro manome zo na ny Prescription acquisitive izany izy ireo satria efa nanajary nandritra ny 20 taona mahery. Tsy nisalasala ny minisitra Lylyson René de Rolland nilaza fa fandresen’ny Fitondrana Fanavaozana izao. « Titra 12 izay fantatra fa hosoka sy taratasy fifampivarotana (acte de vente) hosoka ihany koa no nampiasain’ny Orinasa Socota. Porofon’izany ohatra ny sonian’ny tompotany taloha (colon), antsoina hoe Vicaire izay natao 5 taona taorian’ny nahafatesany. Tsikaritry ny Fitsarana tamin’izany ny maha hosoka ireo taratasy nampiasain’ny Socota ireo. Nahazo fandresena noho izany ireto fokonolona ireto ka isaorana manokana ny Fitondrana Fanavaozana izay tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina, amin’izao ady amin’ny kolikoly izao ary tsy adino koa ny ezaky ny Fitsarana. Raha tsiahivina mantsy dia ataon’ireo mpilatsaka ho fidina fangalana vato ity tranga ity. Mampanantena ny hikarakara an’io tany 3000 ha io izy ireo raha vao lany fa adino izany rehefa vita ny fifidianana. Ankehitriny dia tanteraka izany fandresen’ny fokonolona izany noho ny ady amin’ny kolikoly ataon’izao fitondrana izao. Afaka jaly izy ireo, satria maro no rava fananana sy may trano nandritra ny 38 taona nifanolanana ».
▶️ Raha nanohy ny fanazavany ny minisitra dia nanoritra : « Averiko ombieny ombieny fa tsy hamelanay ny mpanao hosoka. Na tany efa vita titra aza ka hita fa tsy ara-dalana ny nahazoana azy dia mbola iharan’ny fanenjehan’ny minisitera. Alaina eo ampelatanan’ny mpangala-tany ny tany ka averina amin’ny tompony. Ity tranga tany Mampikony ity dia manaporofo izany, toy izany koa ny nampidirana am-ponja ireo olon’ny tambazotra mpangala-tany raindahiny teny Ambohimangakely vao tsy ela izay ».
🤝Namarana ny fotoana moa ny fisaoran’ireo solotenan’ny mponina mpanajary avy any Mampikony ireo ny minisitra tompon’andraikitra sy ny Fitondrana Fanavaozana.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
Scroll to Top