Kaominina Ambohitrimanjaka. Fokontany Anosimanjaka : Fiarabe miisa telo no tratra nanototra tanimbary.
▶️ Androany 23 jolay 2026, fiarabe miisa 3 indray no tratran'ireo tompon'andraikitra avy eto amin'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany nanao fanotofona tsy nahazoana alalana teny amin’ny Fokontany Anosimanjaka, Kaominina Ambohitrimanjaka.
Araky ny loharanom-baovao mari-pototra dia efa nanomboka ny sabotsy lasa teo no nanaovan’izy ireo ny fanotofana ny toerana. Tamin’ny fanadihadiana izay natao no nahalalana fa tafiditra anatin’ny tetikasa fanatanterahana dobo-trondro ity toerana ity. Taratasy fanomezan-dalana ho amin’io tetikasa io no nomen’ny Fokontany, ary nampandalovin’izy ireo tany amin’ny Kaominina.
▶️ Noho ny tsy fanarahan-dalàna hita, dia natsahatra ny asa fanotofana. Anisan'ireo tsy fanarahan-dalàna ireo ny tsy fisian'ny fahazoan-dalana hanaovana fanotofana sy ny tsy fananan'ireo fiarabe fahazoan-dalana hitondra sy hanary tany tao an-toerana.
📝Araka ny nambaran'ny mponina manodidina dia tsy tokony hototofana io toerana io satria manampy azy ireo amin'ny fiarovana amin’ny tondra-drano. Nanamafy izy ireo fa natao hiangonan'ny rano (bassin) mandritra ny fotoanan'ny orana io toerana io.