Manakaiky ny vahoaka ny Raharahan-tany amin’ny alalan’ny hetsika Karatany Faobe
Nandritra ny iraka notanterahin’ny ekipan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (DSFD – DRATSF Anosy – CCT sy CCDF Betroka) no notanterahana ny fanomanana ireo dingana mialoha rehetra ahafahana miroso amin’ny Hetsika Karatany Faobe ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Isoanala, Ianambida ary Bekorobo.Tanjona amin’ity hetsika ity ny hamokatra Karatany miisa 2.500 ao anantin’ireo Kaominina telo ireo izay iarahana amin’ny tetik’asa MIONJO.
- Alohan’ny nidinana ifotony teny anivon’ny Kaominina dia nisy ny fivoriana ara-teknika nataon’ireo iraka, koa vita tamin’izany ny:
✅ Famaritana mazava ny teti-andro ho fanatanterahana ny hetsika Karatany Faobe isaky ny Kaominina;
✅ Fanomanana ny Fifanarahana (Protocole d’Accord) ataon’ny Talem-paritry ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany miaraka amin’ireo Kaominina voatanisa ireo, mba hamaritana ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay avy ho fanatanterahana ny Hetsika OCFM;
✅ Ny fisafidianana ireo Kaominina 05 hametrahana ny BSFI iarahana amin’ny tetik’asa MIONJO hatrany.
- Rehefa izay fivoriana izay dia niroso tamin’ny fidinana ifotony teny amin’ireo Kaominina tsirairay avy ireo ny iraky ny Ministera, nanao fampahafantarana ny anton-dia sy ny tetik’asa izay hatao , hamokarana Karatany miisa 850 eo ho eo isaky ny Kaominina. Natao tao anatin’izany ny fampahafantarana amin’ny ankapobeany ny mahakasika ny fananana tany sy ny hetsika Karatany faobe ary ny tombontsoa azo avy amin’izany.
- Tanteraka taorian’izay ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Talem-paritry ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany sy ny Kaominina, entina manatanteraka ny hetsika.
- Vita ihany koa ireo anton-taratasy ara-panjakana rehetra ilaina amin’izany toy ny Didim-pitondrana entina manao ny fepetra tetezamita itondrana ny hetsika Karatany faobe isaky ny Kaominina sns.
- Rehefa vita ny fidinana teny amin’ireo Kaominina telo ireo dia notanterahina tao Taolagnaro ny fivoriana nanaovana ny jery todika ny fahatanterahan’ny iraka nampanaovina na tsia, ny asa tohiny rehetra.Nivoitra tamin’izany fivoriana izany fa vita sy tanteraka zato isan-jato ny asa nampanaovina.
- Ho tohiny: Vinavinaina hanomboka ny 02 Aogositra izao ny fampiofanana ireo mpisehatra ifotony isaky ny kaominina, ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fametrahana fangatahana, ary arahin’ny fandraisana fangatahana Karatany avy hatrany.
MATSF : Fananantany voaaro, zo voaaro, fampandrosoana maharitra.