DRAFI-PANAJARIANA NY TANAN-DEHIBE ANTSIPIRIANY (PUDé) NY FARITRA MANAMORONA NY LALANA AMBOHITRIMANJAKA – IVATO SY ANDOHATAPENAKA.

FIROSOANA AMIN’NY DINGANA FARAN’NY FAMOLAVOLANA.

▶️ Tontosa androany 30 jolay 2026, teny amin’ny Motel Anosy ny atrikasa nitondrana ireo vokatra momba ny Drafi-panajariana ny Tanàn-dehibe Antsipiriany miisa roa mahakasika ny faritra manamorona ny lalana Ambohitrimanjaka – Ivato sy ny manodidina ny Village de la Francophonie ary ny lalam-baovao Andohatapenaka - Boulevard de l'Europe. Tanteraka izao atrikasa izao, taorian'ny fijerena ny zava-misy teny an-toerana ary ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo Kaominina, ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) ary ireo tetikasa samihafa (co-construction).
▶️ Marihina fa ny fanatanterahana ireo PUDé ireo dia tafiditra anatin’ny tetikasa CAT DDO izay tanterahin'ny MATSF miaraka amin'ny famatsiam-bola avy amin'ny Agence Française de Développement (AFD). Maro ny tombontsoa azo avy amin’izany : Fiarovana amin'ny tondra-drano sy fahafahana miatrika ny fiovan'ny toetrandro : Natao hametrahana rindran-damina matanjaka hanoherana ny fiovan'ny toetrandro izao drafitra izao, mba hiarovana ny tanàna sy ny mponina amin'ny tondra-drano.
▶️ Fandaminana mazava ny tanàna : Mametraka mazava ny faritra azo hanorenana, ny faritra arovana tsy azo hanorenana, ary ny faritra ho an'ny fotodrafitrasa iombonana. Loharano ho an'ny fampiasam-bola sy asa : Rehefa voarafitra tsara sy mazava ny tanàna, dia mora kokoa ny fidirana amin’ny fampiasam-bola vaovao izay hamorona asa sy hampisondrotra ny toe-karen'ny mponina manodidina.
▶️ Nanokatra ny fotoana ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana avy eto amin’ny Minisitera sy ny lehiben’ny Distrikan’ny Boriboritany voalohany. Tonga nandray anjara kosa ireo tale isan-tsokajiny eto anivon’ny MATSF niaraka amin’ireo mpisehatra voakasiky ny PUDé.

sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
ssary 1
Scroll to Top