TETIKASA HAVELO MANDRARE : Fihaonana teo amin'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany sy ny PRCC (Projet Régional pour la Résilience Climatique)

▶️ Omaly, 27 Jolay 2026, dia nihaona ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharaharan-tany (MATSF), notarihin’ny Sekretera Jeneraly, sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Tetikasa PRRC. Nandinika sy nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ny fiarovana ny fananan-tany (sécurisation foncière) ao anatin’ny Tetikasa Havelo Mandrare ny tanjon’ny fihaonana.

▶️ Nifantoka indrindra tamin’ny lafin’ny serasera sy ny fampahafantarana ny tetikasa ny dinika. Heverina ho dingana lehibe amin’ny fisorohana ny disadisa mikasika ny fananan-tany izany, indrindra manoloana ny fiantraikan’ny fanatanterahana ny tetikasa amin’ny mponina.Nifampizaran’ny roa tonta nandritra izany ny paikady sy ny fomba fiasa tokony harahina mba hiantohana ny fahazoan’ny mponina vaovao mazava momba ny fizotry ny fanatanterahana ny Tetikasa Havelo Mandrare. Ilaina izany satria hisy olona an’arivony tsy maintsy hafindra toerana noho ny fanatanterahana ny tetikasa, izay mahakasika velaran-tany manodidina ny 6 700 hektara.

▶️ Tsiahivina fa ny Tetikasa Havelo Mandrare, izay tanterahina any Amboasary Atsimo, dia tetikasa fananganana tohodrano lehibe mirefy 950 metatra ny halavany ary 66 metatra ny haavony. Noho ny fananganana io fotodrafitrasa io dia hisy ny fanotofana velaran-tany midadasika, ka ilaina ny fandrindrana mialoha ny raharaha momba ny fananantany sy ny fifindran’ny mponina mba hiantohana ny fanatanterahana ny tetikasa amim-pilaminana .

sary 1
Scroll to Top