Atrik'asa nananganana drafi-panatsarana sy drafi-panavaozana ho an' ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany eto Madagasikara.

☑️ Ho fanatanterahana ny politikan'ny Minisitera amin'ny fanatanterahana ny asa ao anatin'ny fangaraharana sy ny fanatsarana ny fomba fiasa ary fanomezana fahafaham-po an'ireo vahoaka mpanjifa, dia nanatanteraka atrikasa ny teto anivon'ny MATSF androany, mikasika ny fanadihadiana ny zava-misy eo amin'ny sehatry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananantany eto Madagasikara mba hanatratrarana ny vinam-panatsarana sy ny fanavaozana hapetraka amin'izany.

☑️ Nanatrika ny atrikasa ny Sekretera Jeneraly ny Minisitera, ary nandray anjara tamin'izany ireo Tale Jeneraly, ireo Talen'ny sampandraharaha tsirairay avy, ireo tompon'andraikitra ara-teknika isan-tsokajiny ary ireo ratsa-mangaika eto anivon'ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany. Nisongadina androany nandritra ny fihaonana ny fananganana vina iombonana momba ny toe-draharaha misy ankehitriny eo amin'ny Fanajariana ny tany sy ny ny Fananantany, ny fomba hanavaozana sy hanatsarana izany eo amin'ny lafony Système d'Information Foncière (SIF) sy firosoana amin'ny nomerika (dématerialisation) mba hitondra fiovana ara-drafitra, ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana, ho fampandrosoana an'i Madagasikara ary mba hisy fiantraikany any amin'ny vahoaka tsirairay.

☑️ Nisy ihany koa ny fandraisana ny fanehoan-kevitr'ireo mpandray anjara tsirairay tamin'ny alalan'ny asa vondrona mba haminavinana ny fanavaozana iombonana sy hamaritana ireo hetsika laharam-pahamehana ho tanterahina ao anatin'ny fotoana fohy hanatsarana ireo fomba fiasan'ny MATSF.
☑️ Dans le cadre de la politique du Ministère visant à promouvoir la transparence, à renforcer la satisfaction des usagers et à améliorer continuellement les méthodes de travail au service des citoyens, un atelier s’est tenu ce jour au sein du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF). Cette rencontre a porté sur l’analyse de l’état des lieux du secteur de l’Aménagement du Territoire et du Foncier à Madagascar, ainsi que sur l’identification des perspectives d’amélioration et des réformes à mettre en œuvre.

☑️ L’atelier a vu la présence du Secrétaire Général du Ministère, ainsi que la participation des Directeurs Généraux, des Directeurs, des responsables des services techniques et des services rattachés au Ministère. Les échanges ont permis d’établir une vision commune de la situation actuelle du secteur, d’identifier les réformes et améliorations susceptibles sur les Systèmes d'information Foncière (SIF) et sur la Dématerialisation afin d’apporter des changements structurels, économiques, sociaux et environnementaux, et de contribuer ainsi au développement durable de Madagascar, au bénéfice de chaque citoyen. Un travail de groupe a également été organisé afin de recueillir les avis et propositions des participants.

☑️ Cette réflexion collective a permis de dégager des pistes de réformes concertées et de définir des actions prioritaires à court terme visant à renforcer l’efficacité et la qualité des méthodes de travail du MATSF.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top