𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 ▶️ Dingana iray lehibe napetrakin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Izany no antony nirosoan’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany amin’ ny fanefana ny latsakembok’ireo mpiasa mbola tsy voaloa nandritra ny taona maro. Ireo mpiasa nanana sata ECD (Employé de Courte Durée) ka lasa mpiasa raikitra no voakasika izany. ▶️ Natomboka ny alatsinainy 13 jolay 2026 arak’izany ny angon-drakitra (collecte des données) mahakasika azy ireo. Mba ho voafaritra mazava ny isan’ireo mpiasa voakasika sy ny fe-potoana tsy nandoavana ny latsakemboka ary ny vola tokony haloa, dia hisy ny fampitahana sy fanamarinana ireo angon-drakitra avy amin’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika. Rehefa vita izany dia hiroso amin’ny fandoavana ny latsakemboka fanarenana any amin’ny CNaPS ny Ministera mba ialana amin’ny fahasahiranan’ireo mpiasa misotro ronono. ▶️ Marihina fa anjaran’ny Minisitera voakasika ny mandoa izany latsakemboka izany. Miaraka amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ny fanatanterahana ny ity dingana farany ity. ▶️ Ny Sampandraharaha misahana ny Maha Olona (DRH) eto anivon’ny MATSF no miandraikitra ity tetikasa ity. Miisa 654 ireo mpiasa ECD voarakitra nanomboka tamin’ny taona 2015. ▶️ Dingana iray lehibe napetrakin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Izany no antony nirosoan’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany amin’ ny fanefana ny latsakembok’ireo mpiasa mbola tsy voaloa nandritra ny taona maro. Ireo mpiasa nanana sata ECD (Employé de Courte Durée) ka lasa mpiasa raikitra no voakasika izany. ▶️ Natomboka ny alatsinainy 13 jolay 2026 arak’izany ny angon-drakitra (collecte des données) mahakasika azy ireo. Mba ho voafaritra mazava ny isan’ireo mpiasa voakasika sy ny fe-potoana tsy nandoavana ny latsakemboka ary ny vola tokony haloa, dia hisy ny fampitahana sy fanamarinana ireo angon-drakitra avy amin’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika. Rehefa vita izany dia hiroso amin’ny fandoavana ny latsakemboka fanarenana any amin’ny CNaPS ny Ministera mba ialana amin’ny fahasahiranan’ireo mpiasa misotro ronono. ▶️ Marihina fa anjaran’ny Minisitera voakasika ny mandoa izany latsakemboka izany. Miaraka amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ny fanatanterahana ny ity dingana farany ity. ▶️ Ny Sampandraharaha misahana ny Maha Olona (DRH) eto anivon’ny MATSF no miandraikitra ity tetikasa ity. Miisa 654 ireo mpiasa ECD voarakitra nanomboka tamin’ny taona 2015.
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 Read Post »










