Distrikan' Ifanadiana - Kaominina Ambanivohitra Ranomafana
📣Fanombohana ny hetsika fizarana titra faobe (ODOC na Opération Domaniale Concertée).
📍Tonga tao amin'ny Distrikan'Ifanadiana, Kaominina Ambanivohitra Ranomafana ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson René de Rolland androany 05 Aprily 2026, niaraka tamin'ny Mpanolo-tsaina Avon'ny Repoblikan'ny Fanavaozana, Lucien Rabearimanana, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Lehiben'ny Faritra Vatovavy, ny solombavambahoakan'ny Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'Ifanadiana, niaraka amin'ireo Ben'ny Tanàna avy eo amin'ny Distrikan'Ifanadiana izay misy Kaominina 15. Nanatrika ity hetsika ity ihany koa ny Sekretera Jeneralin'ny minisitera sy ny Talen'ny Kabinetra, ny Tale Jeneralin'ny Sampandraharahan'ny Fananantany ary ireo Tale isan-tsokajiny
▶️ Hoy ny Minisitra tamin'ny fandraisam-pitenenany : " Ela nijaliana isika teto Ranomafana, ela nitadiavana ny rariny, nipetraka sy nanorina tamin'ny tany fa tsy nahazo ny rariny satria mbola nisy olana tamin'ny Faritany (Province) ity Kaominina Ambanivohitra Ranomafana ity. Ka nohon'ny ezaka nataon'ny teknisianina tao amin'ny Sampandraharan'ny Fananantany dia naroso tamin'ny filankevitry ny minisitra, ka lany soamantsara, ary haverina amin'ny Fanjakana Malagasy ny tany mirefy 118 Ha ao amin'ny Kaominina Ranomafana. Ny décret 2026-622 no manamarina izany ary " certificat de situation juridique" no maha ara-dalàna fa averina amin’ny Malagasy ny tany. Noho izany afaka hisitraka amin’izay tany hipetrahanareo sy ny trano izay haorinareo ianareo vahoaka ny Ranomafana manomboka androany." Noho izany voaverina amin'ny Fanjakana Malagasy ny tany ary afaka manao ny atontan-taratasy fangatahana ireo mipetraka eo amin'ny toerana (occupants) mba hahazoany ny taratasy ara-dalàna manamarina fa azy ny tany : Titra.

▶️ Nilaza ihany koa ny Minisitra fa hiasa ny mpiasan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany hamaritra ireo tany, hametraka "bornes" , ary hanome titre hoan'ireo tokatrano izay manao fangatahana ka afaka aminy ny fatorana izay mahazo anareo.
Nanamafy ihany koa izy fa hiezaka ny Fitondrana Fanavaozana izay tarihin’i Kolonely Michaël Randrianirina amin'ny famahana manontolo ny olana rehetra mikasika ny raharahan-tany.
▶️ Anisan’ny miteraka olana amin’ny raharahan-tany ny tany midadasika be loatra mbola notazomin’ireo mpanjanan-tany na terrains coloniaux. Notsindrian'ny Minisitry ny MATSF fa efa misy ny volavolan-dalàna izay volavolain’ny Minisitra miaraka amin’ny teknisianina ary hoatolotra ny antenimieram-pirenena ka rehefa mivoaka izay dia hoesorina amin’ny taranaky ny mpanjanan-tany ireo tany ireo fa hozaraina amin’ny vahoaka rehetra. Nanazava ihany koa izy fa : " Eran'i Madagasikara dia misy an’ireo tany notazomin'ireo mpanjanan-tany ireo, fa indindra amin’ny Faritra Atsimo Atsinana, ary betsaka ny tany mbola am-pelantanan’ny mpanjanan-tany ( colons)".
▶️ Mazava hoy izy fa talohan’ny fanjanahantany dia nisy Malagasy nipetraka teo fa rehefa tonga ny vazaha mpanjanan-tany dia nalaina an-keriny ka rariny rehefa tonga ny fahaleovantena ny tokony hamerenena amintsika Malagasy ny tany fa tsy mijanona ho an’ny mpanjanan-tany. Hentitra ny Minisitra raha nilaza fa : " Tsy misy tokony hahamenatra ny filazana hoe antsika Malagasy ny tany, antsika io, ka raha misy fibodoana ataon’ny vahiny. tsy rariny, dia anjaran’ny Fanjakana no maka izany eo am-pelantanan’izy ireo ka mamerina azy ho amin’ny vahoaka."
▶️ Ny Fanjakana hoy hatrany izy dia mitsinjo vahoaka, manaporofo izany ny fahatongavan'ireo solontenan’ny Fitondrana Fanavaozana, solombavambahoaka marobe, mpikambana ao amin'ny governemanta izay tonga manome voninahitra ny Kaominina Ranomafana, izay midika fa tsy variana any antanan-dehibe ny Ftondram-panjakana fa tsy maintsy mamaha ny olana eny ifotony Nanome toky izy hoan'ny vahoaka tao Ranomafana fa tsy maintsy apetraka ny fiandrianam-pirenena dia hiadana sy ho finaritra ny vahoaka Malagasy, ary tsy maintsy isika vahoaka malagasy no hisitraka ny tanintsika.