Famolavolana Drafi-panajariana Antsipiriany ao amin’ny faritra Analamanga

▶️Atrikasa fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny famolavolana ny Drafi-panajariana antsipiriany na ny Plan d'Urbanisme de Détail (PUDé) amin’ny faritra manamorona ny lalana Ambohitrimanjaka-Ivato sy ny faritra manodidina ny lalana Andohatapenaka-Boulevard de l'Europe.

➡️Tontosa androany ny Atrikasa fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny famolavolana ny Drafi-panajariana antsipiriany na ny Plan d'Urbanisme de Détail (PUDé) amin’ny faritra manamorona ny lalana Ambohitrimanjaka-Ivato sy ny faritra manodidina ny lalana Andohatapenaka-Boulevard de l'Europe.
Nanokatra ny Atrikasa ny Mpandrindra voalohany tetikasa eto anivon'ny Minisitera (CPP) ary natrehin'ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, ny Lehiben'ny Distrika Ambohidratrimo sy Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo, ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Talatamaty ary ireo solon-tenam-panjakana samihafa.

✅Nisitraka famatsiam-bola avy amin'ny AFD ho entina hamolavolana Drafi-panajariana miisa telo ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) tamin'ny alalan'ny Tetikasa CATDDO, izay tetikasa manamafy ny fahafahamiatriky ny tanan-dehibe ny fiovan'ny toetr'andro. Natomboka androany ny famolavolana Drafi-panajariana miisa roa manaraka ny lalana Ambohitrimanjaka-Ivato izay mirefy 7,95 Km2 ary ny PUDé manamorona ny lalana Andohatapenaka-Boulevard de l’Europe izay mirefy 4,04 Km2.

☑️Ireo drafi-panajariana izay ho volavolaina ireo dia lalàna sy fitaovana ho entin’ireo mpitantana ny Tanana entina handaminana sy handrindrana ireo faritra ireo, noho izy manana fanamby goavana ara-pitantanana ny rano sy miaro an'Antananarivo amin'ny tondra-drano. Ary koa mandrindra sy mandamina ireo fanorenana toeram-ponenana, sy ireo fotodrafitrasa manodidina sy manamorina ireo lalana ireo ary hanatsarana ny fari-piainan'ny olona eny an-toerana. Hotanterahina mandritry ny dimy volana ny famolavolana ity Drafi-panajariana ity ary handalo dingana fankatoavana maro.

➡️Mila fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny Minisitera sy ireo tompon'andraikitra tsirairay isa-tsokajiny eo amin'ny fitantanana ny tanana no mandrindra ny fanorenana mba hananana tanàna milamina sy mirindra manaraka ny rafitra sy ny fenitra ary lavitry ny loza sy ny tondra-drano.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
Scroll to Top