Fampanarahan-dalàna ny fisitrahan'ireo mpanazary.

Nihaona tamin'ny vahoakan'ny Mahajanga ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson René de Rolland, androany 26 Mey 2026, mahakasika ny tanin'ny Faritany izay naverina tamin'ny Fanjakana Malagasy, ka hokarakaraina hoatolotra ho an'ireo nanazary ny toerana ao amin'ny Fokontany Amborovy, izay tafiditra ao anatin'ny Titre 1282 DR" Popriété BETAMANGA". Amin'ny vidiny 5 ar/ m² raha nisy fambolena teo amboniny, ary 20 ar/ m² raha nisy fanorenana kosa ny tany.

Nanamafy ny tenin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Minisitra ny amin'ny fanomezana velaran-tany 128 ha hoan'ny ny vahoaka . Ary hoy koa izy :

" Ny Fitondrana Fanavaozana sy ny Minisitera izay tantaniny dia tsy hijery hafa-tsy ny fizarana tany ho amin'ny vahoaka, ary hampiatra ny lalam-panorenana : fisitrahana sy fiarovana ny vahoaka amin'ny taniny."

Notsindrian'ny Minisitra fa ny olana ara-tany izay misy amin'izao dia tsy tamin'ny Fitondrana Fanavaozana fa adi-tany efa lalim-paka, kanefa tsy misalasala ny Minisitera mamaha ny olana mba hiadanan'ny vahoaka amin'ny taniny.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
Scroll to Top