Fanompoam-pivavahana fanokafana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy.

▶️ Tontosa androany tao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, izay fanokafana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy ny 08 Martsa. Teo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Elisa Randrianirina sy ireo vadin'ireo mpanolontsaina avon'ny Fanavaozana, notronon'ireo Minisitra, ireo Solombavam-bahoaka ary ireo manampahefana sivily sy Miaramila.

☑️Tonga nanatrika izany ihany koa ireo Vehivavy solon-tenan'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF), notarihan'ireo Tale vehivavy misahana andraikitra eto anivon'ny Minisitera sy ireo solon-tenan'ny mpiasa. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, no natao ho fangataham-pitahiana, hery sy fahendrena ho an'ireo vehivavy malagasy mandray andraikitra lehibe ho fampandrosoana ny firenena.

☑️ Nandritry ny lanonana dia nandray fitenenana ny vadin'ny Minisitry ny Foloalindahy ary nilaza fa ''Harena lehibe ho an'ny firenena ny vehivavy, satria maro lafy, porofon'izany ireo vehivavy maro mitana andraikitra ambony, Mpitantanana orinasa, Tale Jeneraly, Tale sy ireo maro an'isa''. Mbola nanamafy izy fa ''ny Fanavaozana dia mitaky fihavaozana manomboka eny amin'ny tsirairay ary mipaka any amin'ny daholobe. Manana adidy sy andraikitra lehibe amin'izany ny vehivavy noho izy reny mpanabe sy mitaiza ny taranaka''.

*️⃣Ny lohahevitry ny andron'ny vehivavy amin'ity dia ''Ny vehivavy malagasy hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena''. Mbola hitohy ny 05-06-07 hatramin'ny 08 Martsa 2026 izao ny fankalazana.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
Scroll to Top