Fiaraha-miasa ho fanamafisana ny fahafantarana ny lalana mifehy ny fananantany

🛑Notanterahina androany Alakamisy 21 Mey 2026 ny fotoam-pifanakalozan-kevitra voalohany teo amin’ny ekipan’ny Direction Générale des Services Fonciers (DGSF) sy ireo mpikambana avy amin’ny Filankevitry ny Holafitry ny Mpisolovava. Tsy fampiofanana tsotra ihany fa tena sehatra nahafahana nifampizaràna traikefa sy fahalalana momba ny lalàna mifehy ny tany sy ny fananantany eto Madagasikara.
🛑Nafana ny ady hevitra ary nahitana fifanakalozana tena lalina sy nahaliana. Samy afa-po ny andaniny sy ny ankilany, ary hita taratra ny fahalianan’ireo mpisolovava tamin’ireo lohahevitra nodinihina. Nisy aza ireo nanaraka izany tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara an-tserasera.
🛑Lohahevitra noresahana nandritra ity fivoriana voalohany natokana ho an’ny Direction des Domaines et de la Propriété Foncière (DDPF) :
✅Satan-tany
✅Tanim-panjakana
✅Tanin’olon-tsotra vita titra
✅Ny rafitra fametrahana titra amin’ny tany
🛑Hitohy Mandritra ny iray volana ireo fotoam-pifanakalozan-kevitra ka ny fotoana manaraka dia ny alakamisy 28 mai 2026 izay hiarahana amin’ny Direction des Services Topographiques (DST), Sampandraharaha Teknika eo anivon’ny DGSF
🛑Manamafy ny fahavononany ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany hanohy izao fiaraha-miasa izao ho fanamafisana ny fahaizan’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny lalàna sy ho fampiroboroboana ny fifehezana ny raharahan-tany eto Madagasikara.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
sary 11
sary 12
sary 13
sary 14
sary 16
sary 17
sary 18
sary 19
sary 20
sary 21
sary 22
sary 23
sary 156
Scroll to Top