Fihaonana teo amin'ny Masoivoho Koreana Tatsimo eto Madagasikara sy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany
📌 Nandray an'ny masoivoho Koreana Tatsimo eto Madagascar , Ramatoa Park Ji-Hyun sy ny mpanolo-tsaina azy, Andriamatoa Seong Woong ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany ny Général de Division Lylyson René de Rolland, natrehan'ny Talen'ny Kabinetra sy ny Sekretera Jeneraly eto anivon'ny Ministera androany.
☑️ Nandritra ny fihaonana dia nanambara ny masoivoho Koreana Tatsimo fa isany nampandroso azy ireo, ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fananantany. Nohamafisiny ihany koa fa nomena maimaimpoana ny vahoaka koreana ny tany, taorian'ny ady lehibe faharoa. Namaly izany ny Minisitra ka hoy izy : " Mitovy amin'izay ihany koa ny fomba fijery, ka miezaka izahay amin'ny fanomezana tany ny vahoaka Malagasy." Izany no antony nahatonga ny : Fampidinana ny sanda-bidin'ny tany, ny fanamorana ny fangatahana tany ary ny fametrahana ny mangarahara, izay politika ankapoben'ny MATSF.
☑️ Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia hoy hatrany ny Minisitra : " Ny olana dia ny fahanteran'ny Sampandraharan'ny Fananantany ka mahatonga ireo angon'ita mahakasika ny fananantany ho very sy mampisy ireo boky rovitra maro". Ireo voalaza ireo hoy izy no miteraka adi-tany amin'ny samy Malagasy sy amin'ny ny vahiny mpandraharaha tonga eto Madagasikara. Raha tsiahivina moa, ny Sampandraharan'ny Fananantany dia efa mahatratra ny 130 taona nijoroana.
🤝 Taorian'ny dinidinika dia nanome toky fa hanolo-tanana ny Sampandraharan'ny Fananantany ny masoivoho Koreana Tatsimo amin'ny fanatanterahana ny " dématérialisation" eo amin'ity sampandraharaha ity, mba hanatsarana ny tontolon'ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fampitoviana ny fampandrosoana eo amin'ny samy tanan-dehibe ka tokony miara-miasa ny Sampandraharan'ny Fanajariana ny tany sy ny Sampandraharan'ny Fananantany amin'ny fanatanterahana ny drafi-panajariana ny tany.

📌 Le ministre de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers, le Général de Division Lylyson René de Rolland, assisté par le Directeur de Cabinet et le Secrétaire Général du Ministère a reçu ce jour l’Ambassadeur de la République de Corée du Sud à Madagascar, Son Excellence Madame Park Ji-Hyun, accompagnée de son conseiller, Monsieur Seong Woong.
☑️ Au cours de la rencontre, l’Ambassadeur de la Corée du Sud a déclaré que le développement de son pays repose notamment sur l’amélioration de l’éducation et du régime foncier. Elle a également souligné que, après la Seconde Guerre mondiale, les terres ont été attribuées gratuitement au peuple coréen. En réponse, le Ministre a affirmé : « Notre vision est similaire, et nous nous efforçons également de distribuer des terres à la population malagasy. » C’est dans cette optique qu’ont été mises en œuvre la réduction du prix des terrains, la simplification des procédures de demande de terrains et l’instauration de la transparence, qui constituent la politique générale du MATSF.
☑️ Dans son intervention, le Ministre a également déclaré : « Le problème réside dans l’ancienneté des Services Fonciers, ce qui entraîne la perte des informations foncières et l’existence de nombreux "boky rovitra" » Selon lui, ces situations sont à l’origine des litiges fonciers entre Malgaches d'une part, et entre les investisseurs étrangers présents à Madagascar et les autochtones d'autre part. Rappelons que les Services Fonciers existent depuis près de 130 ans.
🤝À l’issue des discussions, l’Ambassadreur de la Corée du Sud a annoncé l’appui de son pays aux Services Fonciers Malgache dans la mise en œuvre de la dématérialisation de ce secteur, afin d’améliorer le climat des investissements dans la grande île. Elle a également souligné la nécessité d’assurer un développement équilibré entre les villes, ce qui requiert une interopérabilité renforcée entre les services de l’Aménagement du Territoire et les Services Fonciers pour la mise en œuvre efficace de la planification territoriale.