Fivoriana sy fakan-kevitra ary fankatoavana ny Drafi-panajariana Antsipiriany ny Faritra Manamorona ny Rocade Iarivo na PUDé-PADARNE notanterahan'ny Komitim-paritra momba ny Fanajariana ny tany (CRAT)
Nanokatra sy nitarika ny fivoriana ny lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo-toerana, Ramatoa RAHARINIRINA Clémence ary nanatrika izany ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny CRAT : ny lehiben’ny Distrika, ny ben’ny tanàna amin’ireo Kaominina voakasiky ny tetikasa, ny solontenan’ireo Minisitera ka anisan'izany ny MATSF tamin'ny alalan'ny Sampandraharan'ny Fanajariana ny tany, ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ary ny solontenan’ireo sehatra tsy miankina avy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao amin’ny Faritra.
Dingana iray lehibe ny fihaonanan’ireo mpikambana ireo androany satria nahafahana niadihevitra milohan’ny fampiharana ny lalàna amin’ny PUDé, mihatra avy hatrany amin’ireo kaominina sy faritra mantsy izany mba hafahan’izy ireo manome ny taratasy fahazoan-dalana hanorina sy fankatoavana hanorina. Ary ihany koa mba hiarovana ny olona manodidina amin’ny tondra-drano sy mba hahafahana mifehy ny fanorenana manamorona amin’iny lalana iny satria hiaraha-mahalala fa ny toerana misy foto-drafitrasa toa ny lalana dia misarika fanorenana hatrany .
Marihina fa efa vita tamin’ny 2024 ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra Kaominaly « délibération communale » an’ireo Kaominina telo : Kaominina Antananarivo Renivohitra, Kaominina Ambohimangakely, Kaominina Ankadikely Ilafy voakasiky ny PUDé. Aorian’ity fihaonana androany ity dia hampandalovina hakan-kevitra eo anivon’ny CNUH « Conseil National de l’Urbanisme et de l’Habitat » ary ankatoavina amin’ny alalan’ny « arreté prefectoral» ka rehefa vita izany dia miditra eny anivon’ny Filankevitry ny Minisitra, ary rehefa mivoaka avy eny dia ampiasaina ny PUDé. Hoy ny lehiben’ny faritra namarana ny fandraisam-pitenenany hoe : «Ny fahaizana mandanjalanja sy ny tantsoroka atao anio no hamolavola an’Analamanga rahampitso »

Le Comité Régional de l’Aménagement du Territoire (CRAT) a tenu, le 20 février 2026, une réunion de consultation et d’approbation du Plan d’Urbanisme de Détail le long de la Rocade d’Iarivo issu du Projet d’Aménagement et de Développement des Abords de la Rocade Nord-Est d’Antananarivo (PUDé-PADARNE).
La séance a été ouverte et présidée par Madame RAHARINIRINA Clémence, Gouverneur par intérim de la Région Analamanga. Ont également pris part à la réunion l’ensemble des membres du CRAT : les Chefs de District, les Maires des Communes concernées, les représentants des Ministères dont le MATSF à travers la Direction Générale de l'Aménagement, les représentants de la société civile ainsi que les représentants du secteur privé issus de la Chambre de Commerce et d’Industrie de la Région.
Cette rencontre constitue une étape importante, car elle a permis d’engager des discussions préalables à l’application du PUDé, laquelle entrera immédiatement en vigueur dans les communes et zones concernées afin de leur permettre de délivrer les permis de construire et les autorisations de construire. Elle vise également à protéger les riverains contre les risques d’inondation et à encadrer les constructions le long de la rocade, étant donné que les infrastructures telles que les routes attirent inévitablement de nouvelles implantations.
Il convient de souligner que les délibérations communales relatives au PUDé ont déjà été adoptées en 2024 pour les trois Communes concernées : Antananarivo Renivohitra, Ambohimangakely et Ankadikely Ilafy. À l’issue de cette réunion, le dossier sera soumis pour avis au CNUH (Conseil National de l’Urbanisme et de l’Habitat), puis approuvé par arrêté préfectoral. Il sera ensuite présenté en Conseil des Ministres, après adoption, le PUDé sera en vigueur. Clôturant son intervention, le Gouverneur a déclaré : « La capacité de discernement et les décisions prises aujourd’hui façonneront Analamanga de demain. »