Fivorian’ny Komitim-pirenena momba ny fanajariana ny tanàn-dehibe sy ny toeram-ponenana (CNUH) ho fankatoavana ny drafitra fanajariana ny tanan-dehibe lany era (PUDi) ny tanànan’i Nosy Be
▶️Notanterahina androany, teto amin’ny MATSF ny fivoriana mahakasika ny fandinihana sy fanatsarana ny Drafitra fanajariana ny tanàn-dehibe lany era ho an’i Nosy Be mandritra ny 15 taona ho avy.
▶️ Nohamafisina tamin'izany ny maha-zava-dehibe ny CNUH amin’ny fandrindrana ireo politika sy tetikasa mifandraika amin’ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe, mba hahazoana fampandrosoana mirindra sy maharitra.
➡️Isan’ny ivon’ny fizahantany lehibe eto Madagasikara i Nosy Be ka mitaky vina mazava manoloana ireo fanamby toy ny fitaran’ny tanàna, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny olana ara-tany.
🤝 Nandritra ny fivoriana dia nasaina nandray anjara mavitrika sy haneho hevitra ireo mpandray anjara rehetra mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra mahasoa ny faritra sy ny mponina.
🎯Mitohy ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana mirindra sy maharitra an’i Nosy Be