Iarinarivo Ambohidratrimo, 2000 titra no ho zaraina amin’ny hetsika faobe
Nihaona mivantana tamin’ireo mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Iarinarivo Ambohidratrimo ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-Tany (MATSF), Lylyson René de Rolland androany. Notronon’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana sy ireo mpiara-miasa akakiky aminy ary ny mpandrindra ny tetikasa PRODUIR, izay miara-miasa amin’ny ny Ministera amin’ny fanatanterahana ity hetsika karatany faobe, izy tamin’izany. Ny fotoana moa dia nanamarika ny fanokafana ny hetsika fizarana karatany faobe na ny ODOC. Nambaran’ny Minisitra tamin’izany fa manamora sy manafaingana ny fahazoana titra ny fanatanterahana ny fizarana titra faobe izay hatao afaka roa herinandro. Hisitraka izany ireo vahoaka ao an-toerana ka velaran-tany 214 ha no ampiharana izany ary 2000 titra no hozaraina amin’ny sarany 10 ariary ny metatra tora-droa.
Nilaza ny Minisitra fa anatin’ny volavolan-dalana izay haroso ihany koa ny fahefan’ny (compétence) Kaominina ambanivohitra, izay voafetra ho 1000m2 teo aloha ary ampiakarina 5000m2 ankehitriny, mba hialana amin’ny fahasahiranana sy fahavitan’ny asa haingana. Hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenenany : « Io tany io no tanindrazantsika, ka marary amintsika raha io tanindrazantsika io no misy maka an-keriny, misy maka am-pitaka, misy mangalatra. Ny adi-tany izany tsy tokony ho hisy raha samy mitazona ny taniny ny tsirairay, matoa misy ny adi-tany dia ny dikan’izay misy mangalatra tany ao » Ka anisany vaindoan-draharaha ny hanoratana ny tany ho an’ny mponina ambanivohitra sy an-tanan-dehibe amin’ny fomba faran’izay haingana, mba samy ho voaaro amin’ny halatra tany ny rehetra.
Izany no antony nanangana ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fanadihadiana ny halatra tany eto amin’ny Minisitera, ary hojerena akaiky izany, satria efa betsaka ireo tambazotra manao hosoka amin’ny fangalarana tanin’olona, ka anjaran’ny Minisitera no mandrava izany tambazotra izany, ka haverina amin’ny tompony ny tany ary higadra ny manao taratasy hosoka. Tohin’izany asan’ny Minisitera izany ny fiarovana ny tanin’ny Malagasy mirefy 3800ha, izay nobodoan’ny karana, ka hivaly rahampitso ny tribonaly ary hiverina amin’ny vahoaka ny tany. Sady ny Minisitera rahateo efa miara-miasa akaiky amin’ny Fitsarana amin’izao.
Nanentana ny Minisitra tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Sampan-draharaha ny amin’ny hoe : « Fanovana moa izao, hanova zavatra isika ka enga anie mba tena ho mpiara-miasa, mpiara-monina, mpiara-manatanteraka ny fahazoana tany ho an’ny Malagasy isika mpiasan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany. Tsy mpiara-miasa hahazoan’ny vahiny tany fa mpiara-miasa hahazoan’ny Malagasy tany isika. Ny Malagasy aloha vao ny vahiny ».