Kaominina Maevatanàna sy Mahatsinjo : Titra 1100 ho an'ny taona 2026

Nisitraka ny hetsika Fizarana Titra Faobe na ODOC, izay karakarain'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany ireo mponina ao amin'ny Kaominina Ambonivohitry Maevatanàna androany zoma, 22 mey 2026.
Amin'ity taona 2026 ity, ny Minisitera dia izara Titra 1100 ho an'ny Kaominina Ambonivohitra Maevatanàna sy ny Kaominina Mahatsinjo, izay samy ao amin'ny Faritra Betsiboka. Titra miisa 260 no nozarain'ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany Lylyson René de Rolland androany tao Maevatanàna, raha efa nisy mpisitraka 130 talohan'izao hetsika izao. Mbola hisy hetsika izay hizarana Titra 210 amin'ny Kaominina Maevatanàna. Efa mikarakara ny titra 500 izay hozaraina amin'ny Kaominina Mahatsinjo ny Sampan-draharaha ny Fananantany sy ny Raharahan-tany amin'izao, ary efa manomboka ny fisoratana anarana hoan'ireo mpisitraka.
Nanambara ny Minisitra fa ny ODOC no hetsika voalohany hahafana mampifikitra ny vahoaka amin'ny taniny. Eo ihany koa ny fanamorana ny vidin'ny tany izay 50ar/m² ho an'ny Kaominina an-drenivohitra, ka nomarihiny fa fanavaozana nentina tamin'izao Fitondrana Fanavaozana izao, mba samy hahavidy tany avokoa ny Malagasy rehetra.
Nanamafy izy fa natao mangarahara ny sandan'ny fidinana ifotony ( descente) izay ataon'ny mpiasan'ny Fandrefesantany sy ny Fananantany, ka atao peta-dridrina izany ary tsy misy mahazo maka tombony.
Notsindriany ihany koa ny mahakasika ny " bail emphytéotique" tsy ara-drariny, na an'ny Malagasy na Vahiny dia ho foanana rehefa tsy misy foto-drafitrasa hoy hatrany izy.
Ny tanin'ny Faritany dia naverina amin'ny Fanjakana Malagasy ary hozaraina amin'ireo vahoaka nanajary azy(Toy ny tany Ranomafana, Antsirabe, Mahajanga, sns).

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
sary 11
sary 12
sary 13
sary 14
sary 15
Scroll to Top