Lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan'ireo mpandrefy tany mpahay raha (Géomètre expert).
➡️ Nanao fianianana teny aminin'ny Fitsarana Ambony, Anosy ireo mpandrefy tany mpahay raha, andiany faha-XIV androany. Miisa telopolo izy ireo ary ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany no Ray mpiahy ity andiany RAITRA ity, izay nisoloin’ny Talen'ny Kabinetra tena.
☑️ Nanomboka ny taona 2011 no nisy ny holafitry ny mpandrefy tany mpahay raha (Ordre Des Géomètres Expert de Madagascar na OGEM), ary izy ireo no nanakinan'ny fanjakana ny fiarovana ny mpiray tanindrazana eo amin'ny taniny amin'ny alalan'ny asa fandrefesan-tany.
☑️ Hisehatra eo anivon'ny tontolon'ny fandrefesan-tany ireto injiniera izay nivaoka avy eny amin'ny Oniversite an' Antananarivo, Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona (ESPA) ireto, ary afaka manatanteraka ny asa fandrefesan-tany amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana manerana ny Nosy.
*️⃣ Marihina fa voalazan'ny lalàna fa tsy maintsy atao mialohan'ny fanaovana ny asa ny fianianana ary ankehitriny dia efa 389 ireo mpandrefy tany mpahay raha nahavita izany fianianana izany.