Otrikarena voajanahary

▶️ Manana anjara andraikitra lehibe ny MATSF amin’ity atrikasa momba ny otrikarena voajanahary (capital naturel) atao eny amin'ny Radisson Blu Ivandry ity, izay atao mandritra ny roa andro, satria ny tany no fototra iorenan’ny asa fampandrosoana rehetra ary eo ambonin’ny tany no misy sy mivelatra ireo harena voajanahary, izay antsoina hoe otrikarena voajanahary (capital naturel) ka ilaina ny fanomezana lanja azy ireo amin’ny fomba feno sy maharitra.
▶️ Zava-dehibe ny fahatsapan’ny olom-pirenena tsirairay ny andraikitry ny sehatry ny tany (secteur foncier), izay ivon’ny fitantanana sy fiarovana ny otrikarena voajanahary ( capital naturel) ka ilaina ny mifehy tsara ny fitantanana ny tany mba tsy ho simba na very hasina ireo harena voajanahary ananantsika.
▶️ Efa misy dingana lehibe efa vita amin’ny fametrahana ny drafim-panajariana ny tany (schéma d’aménagement du territoire). Ohatra mivaingana ny any amin’ny faritra Androy tamin’ny taona 2025, izay namoahana drafitra mifototra amin’ny fanomezana lanja ny otrikaina voajanahary . Tafiditra ao anatin’izany ny fanombanana ny toetry ny harena voajanahary, ny haavon’ny fahasimban’izy ireo, ny fanadihadiana ny otrikarena ambanin’ny tany, ary koa ny famaritana ny lanja ara-bola an’ireo harena ireo.
▶️ Araka ny antontan’isa azo, vokatr’ireo fanadihadiana sy fandrafetana ny SRAT dia mitotaly eo anelanelan’ny 3 ka hatramin’ny 80 000 000 dollars ny sandan’ny otrikarena voajanahary. Maneho izany fa harena lehibe tsy azo tsinontsinoavina izy ireo, ka tokony harovana sy hampiasaina amim-pahendrena.
▶️ Noho izany, ilaina ny fanohizana ny ezaka ataon’ny MATSF sy ireo rantsa-mangaika rehetra amin’ny fampidirana ny fanomezan-danja ny otrikaina voajanahary ao anatin’ny fandrafetana sy fanatanterahana ny SRAT. Izany dia hahafahana miantoka fampandrosoana maharitra, mirindra ary mahasoa ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
*️⃣ Tamin’ny fandraisan’anjaran’ny Sekretera Jeneraly tamin’ny adihevitra mitondra ny lohahevitra hoe « Gouverner les ressources en eau, minières et les paysages forestiers : Quels arbitrages pour la Refondation ? » dia nivohitra tamin’izany ny sosokevitra :
1️⃣ Ny tokony hanamparihahana na hampitomboina ny resaka fanangonana ny antontan’isa (données)
2️⃣ Fanananana paikady iombonana mikasika ny fanomezana lanja ny otrikaina voajanahary amin’ny rafitra anatiny izay ilaina ny tantsoroka amin’ny fampiharana azy.
3️⃣Ilaina ny fametrahana mpanara-maso isam-paritra (observartoire régionaux) momba ny otrikaina voajanahary izay azo ampifandraisina amin’ireo sampan-draharaha isam-paritra ao amin’ny MATSF mba hahafahana manara-maso sy manombana ny fampiharana ireo mari-pandrefesana (indicateurs) mahakasika ny otrikarena voajanahary.
4️⃣Tokony hampivondronana ny minisitera samihafa hiditra amin’ny fanamafisana an’ilay fampiharana (experimentation ) amin’ny fampiharana feno ny fomba fiasa izay mampiditra ny otrikaina voajanahary ao anatin’ny drafi-panajariana SAC sy ny SRAT.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top