Varavarana Misokatra mikasika ny fahalaniana paikandro manome zo( Prescription Acquisitive na P.A) : FARITRA VATOVAVY ( Manakara) sy FARITRA ANALANJOROFO (Fenoarivo Atsinanana)
➡️Nisitraka ny varavarana misokatra ny 27 Febroary 2026 ireo faritra roa : Faritra Vatovavy sy Analanjorofo eto Madagasikara
Nanatrika sy nitarika ny hetsika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny Sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany tany an-toerana.
✅ Tonga maro ireo mpila raharaha namaly ny antso, nametraka fanontaniana ka noezahin'ireo tompon'andraikitry ny fananantany novaliana avokoa izany. Ny mahakasika ny mety fangatahana ataon'ny olona napetraka hiandry ny tany sy ny tahotra manoloana izany, ny momba ny titra ao Andranomainty atao hoe VERZANI-I sy VERZANI-II izay efa afaka anaovana fangatahana fizakan-tany no niompanan’ny adihevitra, raha ny tany Manakara manokana no resahina. Ho an’ity faritra ity ihany, nisongadina ihany koa ny fanontaniana amin’ny mety ho fandaniana eny amin’ny Sampandraharahan’ny fananantany amin'ny fangatahana fizakan-tany.
✅ Hita fa liana amin'ny resaka momba ny tany sy fizakan-tany ny vahoakan'i Manakara ka na ny akaiky na ny avy lavitra : Kaominina Manjarivo Manakara, Mahazoarivo Vohipeno, Andemaka dia tonga namaly ny antso avokoa. Toa izany ihany koa ireo distrika 3 tao Fenoarivo Atsinanana : Fenoarivo Atsinanana, Maroantsetra ary Sainte Marie.