VOLAN’ NY TANAN-DEHIBE - FARITRA BONGOLAVA

Notanterahina ny Talata 27 oktobra 2026 lasa teo, ny ranty ny varavarana misokatra ho amin’ny fahazoan-dalana amin'ny fandrindrana ny tanàna ambanivohitra sy ny renivohitra, tao amin'ny Faritra Bongolava ; izay niarahana tamin’ireo Ben’ny Tanana sy ny sefo fokontany rehetra tao amin’ny fiadidian’ny faritra sy ny bongolava.
Nifantoka tamin'ny maha-zava-dehibe ny fomba fiasa mifandraika amin'ny fahazoan-dalana amin'ny fandrindrana ny tanàna ny fihaonana, indrindra ny "alignement" sy ny fahazoan-dalana hanorina (permis de construire), izay miantoka ny fananan-tany voafehy sy voalamina tsara.

Nandritra ny fifanakalozana, dia nasongadina ny fifamenoana akaiky eo amin'ny tany sy ny Fandrindrana ny Tany (Aménagement du Territoire), andry roa tsy azo sarahina amin'ny fahombiazan'ny tetikasa fampandrosoana rehetra, na avy amin'ny fanjakana na tsy miankina. Manoloana ny olana hita eny ifotony, indrindra ny tsy fahalalana ny fomba fiasa sy ny andinindininy ara-pitsipika, dia ireto tolo-kevitra manaraka ireto no natao :
• Hampitomboina ny fanentanana ny vahoaka momba ny dingana amin'ny fandrindrana ny tanàna sy ny maha-zava-dehibe izany.
• Hamafisina ny fampiofanana ireo ben'ny tanàna, ny sefo fokontany sy ny olom-boafidy rehetre eo an-toerana, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny famoahana ny fahazoan-dalana mifandraika amin’izany.
• Harahina sy tohanana ireo mpisehatra eo an-toerana amin'ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny fitsipika mifehy ny fanana-tany.

Ny fisian’ny varavarana misokatra toa itony dia hita sy tsapa fa nanamafy ny fahavononana sy ny fivoarana ho an’ny Faritra Bongolava, ary koa ny hampiroboroboana ny kolontsain'ny fandrindrana ny tanàna manaraka fitsipika, mba hisian’ny fampandrosoana maharitra sy voalamina tsara

sary 1
sary 2
sary 3
Défiler vers le haut