HERINANDRO NATOKANA HO AN’NY FANDREFESAN-TANY SUMMIT 2026

NOHAMASIFISINA NY ANJARA TOERAN’NY FANDREFESAN-TANY AMIN’NY FAMPANDROSOANA.

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy tao Espace Ivohitsara Alakamisy Fenoarivo ny Herinandro manokana ho an’ny fandrefesana ny tany, ny 13 Novambra 2026 lasa teo. Ny hetsika dia tafiditra ao anatin’ny TOPO SUMMIT 2026, niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany(MATSF), izay nosolon’ny Sekretera Jeneraliny, Sambany Ruffin tena nandritra io lanonana io.
Teboka telo lehibe no hafatra nasongadin’ity farany tamin’izany: ny fampandrosoana ny firenena izay mitaky fiaraha-mientana, ny fahaiza-manao ary ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo mpisehatra rehetra, indrindra ireo tanora izay hitarika ny sehatra amin’ny ho avy.
Nandritra izany dia nohamafisin’ny Sekretera Jeneralin’ny MATSF fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanajariana ny tany sy ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana ny fandrefesana ny tany. Noho izany, ilaina ny fananana mpisehatra voaofana sy mahafehy tsara ireo fepetra sy fenitra takian’ny sehatra.
Notsindriany manokana ihany koa ny anjara andraikitry ny mpianatra, izay andrasana handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ao anatin’izany, ny Ministera dia manohana ny fanatsarana ny fiofanana, ary mikendry ny hanatsara ny fahaiza-manao sy ny kalitaon’ny asa eo amin’ny sehatry ny fanajariana ny tany.
Nofaranana tamin’izany ny Herinandro manokana ho an’ny fandrefesana ny tany, niaraka tamin’ny antso ho an’ireo tanora mba hampiasa ny fahalalana azony ho an’ny fampandrosoana maharitra ny firenena.

sary 1
sary 2
sary 3
Défiler vers le haut