TAFAPETRAKA NY VOVONANA FANDRINDRANA TaToM

FANAMAFISANA NY FANARAHA-MASO SY NY FAMPIHARANA IREO TETIKASA LAHARAM-PAHAMEHANA

Notanterahina ny alatsinainy 16 novambra 2026 ny fihaonana fandrindrana TaTom, tao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) Anosy. Tafapetraka ny Vovonana Fandrindrana TaToM, izay natao hanamafisana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo tetikasa laharam-pahamehana ao anatin’ny Drafi-Panajariana.
Ahitana ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany , ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, ny Ministeran’ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fahadiovana, ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ary ireo mpiara-miombon’antoka toy ny JICA Madagasikara, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny JIRAMA ary ny SMA ny Vovonana Fandrindrana TaToM.
Nandritra izao fihaonana voalohany izao no nampahafantarana ny fandrosoan’ireo tetikasa laharam-pahamehana, sy namantarana ireo sakana sedrain’izy ireo ary nodinihina ihany koa ireo vahaolana azo raisina. Nifantoka tamin’ny famaritana ireo hetsika tokony hatao, ny tompon’andraikitra voakasika ary ny fe-potoana hanatanterahana izany ihany koa ny dinika.
Ankoatra izany, natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana eo amin’ireo Ministera, ny Kaominina ary ireo mpiara-miombon’antoka ny Vovonana. Sehatra handraisana fanapahan-kevitra sy hanaraha-maso ny fanatanterahana ireo hetsika nifanarahana izy ity, fa tsy sehatra fampahafantarana fotsiny.
Nohamafisina tamin’izany fa andraikitra iombonana ny fampiharana ny TaToM. Tsy natao hitsarana na hanomezan-tsiny ireo tompon’andraikitra ny fihaonana, fa hitadiavana vahaolana iarahana sy hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa, mba hahatonga ny Drafi-Panajariana TaToM ho fitaovana tena ampiasaina amin’ny fandrindrana ny fampandrosoana.
Amin’ny alalan’ity Vovonana Fandrindrana ity, kendrena ny hanamafisana ny fampiharana ny TaToM ho fitaovana enti-mandrindra ny fampandrosoana maharitra, ka hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny mponina sy hanatsara hatrany ny fari-piainan’izy ireo.

sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
Défiler vers le haut